Thursday, December 27, 2007

Krismasy 2007 ...

. Thursday, December 27, 2007
0 comments


Zany Razoky rehefa manao krismasy voalohany.

24 desambra: nitsangatsangana teny analakely aloha ny tolakandro, avy teo namonjy sasak'alina tao amin'ny fiangonana ambohitantely, na dia natory aza nandritra ny fotoana.

25 desambra: tamin'ny 7 maraina dia efa taitra, nampamaovin'i dada kotrana (étirement) vao maraina sahala amin'ny mahazatra aloha. Avy eo dia ni-babs "teteta" (nursie 2 + céréale), rehefa avy nihinana fofody (sirop primalon sy zymaduo).

7 ora 58mn: nijery kilalao avy t@ dadabe noely izay efa teo ambany hazo noely (na dia tsy nisy kiraro aza teo), raikitra ny fakana sary teo satria efa mipetraka irery koa moa ny bandy kely.

8 ora 23mn: niomankomana fa handeha hivavaka, jejojejo ery fa hanao gilet sy pataloha velon-drirana volon-tany (beige) tany amin'i Fafara Ranitra. Olana kely moa teto fa tsy tafiditra ny loha ny lobaka tsy mivaky aloha zay vao novidiana, na dia antonona ny vatana aza ny
fahitana azy ;-)

8 ora 50mn: namoaka fiara niaraka amin'i dada, fa hiainga handeha hivavaka amin'ny 9 ora sy sasany ao amin'ny FKPM Ankasina 67ha. Hendry tsara tao am-piangonana, na dia nafana be satria sady nanao noeud maintin'i dada (antonona ka, oups).


Ny antoandro dia teny amin'ny 67ha ihany no nisakafo rehefa avy namangy papi sy mamie.

Ny nahavariana dia tao no nanomboka niteniteny voalohany, raha adika eto dia toy izao: "bdabdabdabdabdabdabda!!!" (sady averimberina foana io hatramin'izao), izay tokoa angamba no tena nahatonga an'ilay hoe mibadabada ...

Tsy adino koa tamin'io andro io ny fakana sary niaraka tamin'i zoky Mikolo (9 volana) sy zandry Mià (13 andro). Tamin'ny 6 ora hariva vao tafody taty an-trano.

Sahala amin'izay ny noelinay 2007, milay an ...

--
Sent from Gmail for mobile | mobile.google.com

DouRiX

Read More »»

Friday, December 7, 2007

enim-bolana ...

. Friday, December 7, 2007
2 comments

Misasaka sahady ny taona iray. Efa lehibe mintsy ny bandy zao. 7kg600,
nahazo 800g tao anatin'ny 1 volana, tsara hono io fitomboana io hoy ny
dokotera.

Sakafo: efa nanomboka t@ faha-5 volana no nanomboka nihinana sakafo
hafa: niantomboka t@ ranom-boatabia, legumes, ranom-boankazo hafa,
farilac, cerelac, yahourt, ... Ary @'zao efa manomboka miampy hena,
fromage. Dia mazoto homana tokoa moa izany razoki, hoy I dr hoe
atombohy @ 1/4 yaourt, nefa ny 1 aza efa mitady tsy ho ampy. Dia
ajanona fotsiny matetika fa lany daholo zay miainga eo. Oops!

Nify: efa misy nify 1 manomboka mipoitra @ hihy ambony, tsy hitan'I
dada sy neni mihitsy io raha tsy t@ visite tany @ dokotera. Tia
manaikitraikitra arak'izany, taratasy no tena mahafinaritra ny milalao
sy mihinana azy.

Volo: nohetezana fanindroany t@ faha-6 volana, ny eo an-tampon-doha
ihany no tena lava fa ny amin'ny sisiny sy ny ao aoriana tsy dia
maniry, indrindra moa ny manodidina ny handrina ... no comment!

Efa be lalao sy mipelipelika koa ka tsy dia azo avela irery intsony,
efa nanao "chute libre" avy eny ambony fandriana sahady.

Fifidianana ben'ny tanana zao no malaza, hery rafalimanana (tim) sy
andry rajoelina (tgv) no favoris. Rahoviana ary zay vao mba hifidy ?
210 volana sisa (17 taona sy 6m-bolana) ...

--
Sent from Gmail for mobile | mobile.google.com

DouRiX

Read More »»

Tuesday, October 16, 2007

4 volana ...

. Tuesday, October 16, 2007
0 comments


Zany ndray zahay rehefa 4 volana, efa mivanitika sy milalao be. Tsy hay tsara ny lanja teo @ faha-efa-bolana, fa tsy salama ny dokotera mpandanja. 6kg540 teo ary 64cm tamin'ny 10 Octobra 2007, hay tsy dia ngeza akory fa ny loha no tena mavesatra :-)

Read More »»

Saturday, September 1, 2007

Ala-volo ...

. Saturday, September 1, 2007
0 comments

Teto amin'ny faha-3 volana ihany no nanaovana ny "ala volon-jaza", na ny fanetezana ny volo voalohany, araka ny fomba malagasy. Nohararaotina koa io daty io satria tsingerin-taona nahaterahan'i neni.

Tsy dia tena hay loatra moa ilay tena fomba fa dia notapahina ny volo, dia nifetifety tsotsotra avy teo.

i Tatie Gaëlle (Mimie) no nanala ny volo voalohany, i Tatie Ando kosa no namita avy teo. Hety vao novidiana ny maraina no nampiasaina tamin'io.

Posted by Picasa

Read More »»

3 volana ...

.
0 comments

3 volana indray amin'izao, 5kg270, 61cm ; mitady tsy ho ampy lanja hono hoy i dokotera, oharina amin'ny halavana, satria 500g fotsiny no azo tao anatin'ny 1 volana.

Ny antony angamba satria tsy sahy nanome teteta (biberon) betsaka i dada sy neni, fa nanaraka ny fatrany voalazan'ny toro-lalana (150 cc ho an'ny zaza 2-3 volana), nefa mitomany foana rehefa lany ny teteta fa tsy ampy. Tsy olana hoy ny dokotera fa izay takiana dia tokony
homena ka dia nampiakarina ny fatra, ary amin'izao dia mahalany hatramin'ny 210cc indray mandeha (fatra ho an'ny zaza 5 volana io, oups). Marihana moa fa "Nursie Premium" no tena ady amin'izao, in-5 isan'andro eo no mihinana, ary mbola miampy ny nonon'i neni koa io.

Asa indray izay ho fitomboana afaka iray volana, fa ny loha aloha dia tena mitombo hatreto ;-)

Read More »»

Wednesday, August 29, 2007

Minono tanana ...

. Wednesday, August 29, 2007
0 comments


Efa minono tanana indray zao no "style", fikan'i dada taloha hono io no nalaina tahaka (oups)

Fa zany hoe mba falifaly dada sy neni fa tsy dia maditra intsony rehefa minono tanana fa mampatory tena irery, tsy mila rotsirotsiana.

Jereo anie e ...

Posted by Picasa

Read More »»

Saturday, August 11, 2007

Firarian-tsoa azo tamin'ny SMS …

. Saturday, August 11, 2007
0 comments

Maromaro ny firarian-tsoa sy tso-drano azo tamin'ny alalan'ny someso (SMS) tamin'ny findain'i dada sy neni, fohy kanefa manan-danja ka hapetraka eto mba ho fahatsiarovana. Mifangaro ao koa ny firarian-tsoa ho an'i neni manokana fa fetin'ny reny moa ny alahady tamin'io.

Tsy nisy novana na ny tsipelina na ny mari-piatoana mba ho fanajana ny zon'ny mpanoratra :)

Toy izao ny fivakin'izy ireo :

02-Jun-2007 05:22

3311xx511

Zandry

Bienvenu a ILO ANDY.D felicitation a ses parents. lah sa vavy? fantatro fa lah e! oavy zay refveo e

02-Jun-2007 05:37

3312xx679

Davih

Arahabaina e! tongava taiza de arahan_jaza la arahan_jaza vavy o

02-Jun-2007 08:12

3311xx386

Deba

Arabaina lesy nomen'a/tra ny fara. Za miaraka @Haga sy Tahiry aty anjomakely

02-Jun-2007 08:30

3314xx800

Tsanta

Arabaina dia tongava taiza izy

02-Jun-2007 09:17

3314xx864

La-Fy

arabaina e mirary soe tongava taiza ny zaza e.

02-Jun-2007 09:23

3311xx048

Jacharie IT

Arahabaina nomen'Andriamanitra an'i fara.

02-Jun-2007 09:48

3204xx343

Jia

Félicitation zany e!mirary soa ho an'ny rehetra.Mandalo refa malalaka

02-Jun-2007 10:16

3204xx085

Dtoa Manitra

FALY MIARAHABA AN I ILO ANDO TONGA SOA MIARAHABA KOA ANAREO MIVADY NITONDRA AZY

02-Jun-2007 10:25

3311xx030

Tsilavina IT

Arahabaina zany nomen'Andriamanitra zazà e!

02-Jun-2007 10:31

3311xx463

Dominique DIST

Félicitation e

02-Jun-2007 10:37

3311xx732

Chantal FIN

Harabaina nahazo fara sy dimby Maroroa taiza Chantal

02-Jun-2007 10:37

3311xx500

Hery IT

Arahabaina tonga soa i Ilo kely. De ho tahin'Atra anie ny tokatranareo 3 mianaka!

02-Jun-2007 10:38

3312xx734

Andry And/fotsy

Mirary fahasalamana ho an i ILO ANDY, arahaba ho an anareo mivady nahazo solofo sy dimby. Tongava taiza lery. (13sisa) (www.mg.celtel.com)

02-Jun-2007 10:40

3311xx133

Menja IT

Felicitation Mr Riska

02-Jun-2007 10:47

3307xx810

Jimmy IT

Dia faly miarahaba an'i ILO ANDY izahay,ny Tompo anie homba anao am zay ataonao rehetra, sady miarahaba ny Ray sy Reniny koa izahay am nahazoan izy reo ny menaky ny ainy. JI&MI

02-Jun-2007 10:48

3312xx776

Dina IT

Felicitations ho an i ,dada sy maman i ilo ando. Quel beau cadeau fete d mère!

02-Jun-2007 10:56

3311xx083

Benja IT

Arabaina lesy zany nahazo miaramila

02-Jun-2007 11:06

3311xx661

Roland IT

Arabaina sefo nomen'Atra ny fara sy dimby. Hotahin'A/tra @ fomba manokana anie ianareo telo mianaka

02-Jun-2007 12:36

3314xx375

Dfara Ngaoma

De arabain e!ampitao an @ Andy kel n bizo.maroroa taiz e!miala tsin indrindr fa ts afak mandalo.mirary fahasalaman ho anareo,indrindr ho an le bandy kel

02-Jun-2007 14:07

3240xx842

Mialy ENI

Bienvenu à Ilo Andy, félicitation aux heureux parents en souhaitant déjà une bonne fete à la nouvelle maman.

02-Jun-2007 16:03

3315xx009

Noël Litanga

Felicitations Dourix et Bienvenue dans la famille des parents. Transmets mes felicitations a ton epouse

02-Jun-2007 16:36

3360xx16135

Toby

Félicitations e. toby.

02-Jun-2007 17:47

3311xx701

Van SIMICRO

Ok, milay b zan. Félicitations e. Bienvenu a Ilo Andy. Biz.

02-Jun-2007 17:54

3311xx747

Emy SIMICRO

Felicitations a vous! Et bienvenue a toi Ilo Andy! …bonne fete Maman! Emy s Hasina et Loic.

02-Jun-2007 18:00

3311xx921

Solofo/Nanie

BRAVØØ MLAY ZANY KA: D RØVIN N ARØZAZ ¿

02-Jun-2007 18:31

3311xx745

Manou SIMICRO

Arahaba nomen'Andriamanitra ny fara ry ray aman-dreny.

02-Jun-2007 18:32

3202xx603

Toky ENI

Arahabaina zany nomen'Andriamanitra ny fara. Mirary fahasalamana tanteraka. Maroroha taiza. Gros bisous. Toky Haja Tommy

02-Jun-2007 19:09

3314xx208

Ntoa Landy

FELICITATION E D MANAO FETE DES MERES ZANY RAPITSO. TONGAVA TAIZA IZY E. 934 MIANAKAVY

02-Jun-2007 21:15

3311xx276

Vonjy IT

Felicitation.Que dieu benisse la famille Dourix

02-Jun-2007 21:25

3302xx001

Hery Zo

Tonga soa i ilo andy.arahabaina koa i risika sy lalaina nahazo izao fahasoavana be izao.tsiky sy lucas

03-Jun-2007 07:24

3311xx701

Van SIMICRO

Bjr. Bonne fete maman' i Ilo Andy! Maroroha taiza akia. Biz bdb. Van

03-Jun-2007 07:54

3204xx085

Dtoa Manitra

MIARAHABA LALAINA NENY VAO OMALY SALAMA NAREO MIANAKA

03-Jun-2007 08:04

3307xx487

Tantine Eliane

remercions dieu pour sa grace et sa bonte. Felicitations aux parents.bienvenue au bebe que le seigneur te protege et te donne toute sa benediction. maroroa taiza retsy. " bonne fete maman " heureux papa. merci. tantine eliane.

03-Jun-2007 08:49

3305xx991

Mialy/Rivo

BONNE FETE!NY TOMPO MOMBA ANAO.MIALY S RIVO

03-Jun-2007 09:25

3312xx894

Rija

BJR RIX LALA ILO ANDY,ARABAINA NAHAZO ZAZA,TRATRY NY FETIN'NY RENY,TONGA SOA ETO AN-TANY.RIJA 8 MIANAKA.

03-Jun-2007 10:33

3307xx810

Jimmy IT

Faly miarahaba ny MAMA I ILO ANDY izahay am izao fety ny Reny izaode mba ho tratry ny fety ny Reny manaraka indray e :-). JI&MI

03-Jun-2007 11:09

3202xx603

Toky ENI

Bonne fête à toutes les mamans. Toky Haja Tommy

03-Jun-2007 14:35

3307xx613

Tonton Ndrina

Bonne fete Maman Lalaina d arabaina nahazo zazakely. Mirary soa ho anareo tonton Ndrina mivady

03-Jun-2007 15:49

3311xx656

Manitra CMA

Arabaina nomen'Atra ny dimby sy fara e!d bonne fête ho an'ny jeune maman

03-Jun-2007 17:26

3311xx921

Solofo/Nanie

BONNE FETE MAMAN KY ZANY RY LALAINA AH =NANIE BEORIRIKA=

04-Jun-2007 19:11

3311xx950

Lalaina CMA

Dia samy ho tahian'Atra sika rehetra.Dia maroho koa taiza i Andry kely.Lanto, Lalaina, Ny Anto.

Read More »»

Saturday, August 4, 2007

2 volana ...

. Saturday, August 4, 2007
0 comments


2 volana sy 2 andro, 4kg800, 56cm, mbola ara-dalana tsara ny fitomboana hatreto, na dia somary bebe loha aza hoy ny mpitsabo :)

Izay vao manomboka minono indray, na dia mbola tsy tena maharitra ela aza. Mbola bibs koa no tena foto-tsakafo hatreto, mahavariana mihitsy fa tena mazoto homana, 150cc nefa mbola mitomany ihany rehefa lany.

Efa tsy dia maditra alina intsony indray, fa rehefa voky tsara dia matory mandra-maraina, mba mi-soufle kely dada sy neni.

Efa mivanitika kou an !

Posted by Picasa

Read More »»

Friday, July 20, 2007

Ilo - famaritana ...

. Friday, July 20, 2007
0 comments

Toy izao ny famaritan'i RICHARDSON James, Rev., hita ao amin'ny http://firaketana.org :

Ilo : the purest portion of oil or grease. [Richardson 1885]

Ilo mby an-doha : [mby, there, loha, the head.] The oil on the head. Used in the following phrase: Aza mba mandraraka ilo mby andoha (Do not spill the oil from your head); fig. do not throw away the benefits you have. [Richardson 1885]

Read More »»

Wednesday, July 11, 2007

Ny anarako ...

. Wednesday, July 11, 2007
0 comments


Ilo Andy RAFIEFERANTSIARONJY
, tsara hoy ny olona, mahafatifaty hoy ny sasany, asa na izany tokoa na mba fidokadokafana, na izany na tsy izany tsy nataotao foana ireo anarana ireo fa vokatry ny fikaonan-dohan'i dada sy neni nandritra ny sivy volana (oups).

Voalohany aloha, RAFIEFERANTSIARONJY dia anaran'i dada, satria tokoa antenaina mba hamelo-maso an'i dada sy neni ; ary manarak'izany dia mbola i dada irery no manana io anarana io (eto an-tany) ka tsara raha mba asiana namana.

"Ilo" satria voninahitra, reharehan'i dada sy neni. Ny "ilo", araka ny fahalalana azy, dia karazana menaka manitra fatao amin'ny loha. "Ilo mby an-doha" hoy ny malagasy, izay manambara voninahitra eo amin'ny tena ka mila kajikajiana sy kenakenaina. "Ilo tsy very" hoy ny loha-tenin'ny sari-mihetsika ara-tantara malagasy iray, izay mitantara ny tsy fahaverezan'ny hanitra maha-malagasy na dia teo aza ny fanjanahan-tany frantsay. [...]

"Andy" dia avy tamin'ilay mpamorona sy mpiangaly jazz Andy RAZAF, malagasy fanta-daza indrindra (amin'ireo mpankafy) eo amin'io sehatra io. Reharehan'ny malagasy tokoa io ranamana io satria nanoratra hira jazz maro (standard) anisan'ny fanta-daza (http://en.wikipedia.org/wiki/Andy_Razaf) [...]. Mba ho rehareha sahala amin'izany koa anie "Ilo Andy".

Ankoatry ny heviny, anisan'ny nisafidianana ny fanampin'anarana ny hoe : fohy, mora soratana ary mora tononina (tsipelina), satria mantsy ireo no somary nanahirankirana kely an'i dada teo amin'ny fiainany. Teo koa anefa ny hoe : tsy be mpanana, nefa koa tsy hafa be (extra).

Read More »»

Tuesday, July 3, 2007

1 volana ...

. Tuesday, July 3, 2007
0 comments

1 volana sahady (4 herinandro), 4kg, 53 cm, ara-dalana ny fitomboana hoy ny dokotera mpanara-maso. Mbola tsy mahay minono hatramin'izao, nozarin'i dada sy neni bibs koa moa koa inona no hisahiranana.

Manomboka maditra amin'ny alina, mitomany lava ary sarotra ampanginina, sahirana i dada sy neni satria tsy fantatra hoe misy maharary sa ahoana, mivadi-bolana hono ...

Toy izao ny fiovana tao anatin'ny 1 volana ...

2007-06 - Ilo Andy - Ny fitomboako ...

Read More »»

Saturday, June 9, 2007

Herinandro ...

. Saturday, June 9, 2007
0 comments


7 andro nahaterahana, 3kg sahady aho androany. Mitombo tsara hoy ny dokotera, vao manomboka mahay minono amin'i Neni koa, biberon aloha no tena ady hatramin'izao.

Posted by Picasa

Read More »»

Ilo Andy RAFIEFERANTSIARONJY ...

.
0 comments


Ilo Andy RAFIEFERANTSIARONJY no anarako, lahy matoan'i dada sy neni, teraka tao @ MSI Avaradoha tamin'ny asabotsy 02 Jona 2007, t@ 3 ora sy 25 min maraina. 2,950 kilao aho tamin'ny teraka, 51 cm, lava be hono fa tsy ohatra an'i dada.

Tamin'ny 11ora alina tonga tao amin'ny MSI i dada sy neni rehefa nisy fambara fa ho avy aho. Teraka soa aman-tsara tamin'ny 3ora sy sasany maraina rehefa avy noentin'i neni nandritra ny 9 volana. Salama tsara tsy misy atahorana hoy ny mpampiteraka rehefa avy nojerena sy nokarakaraina.

Fanomezana lehibe ho an'i neni satria fetin'ny reny ny alahady faha-03 jona.

Posted by Picasa

Read More »»

Thursday, March 8, 2007

CPN herinandro faha 25 ...

. Thursday, March 8, 2007
0 comments

nanao fizahana tany @ MSI indray i neni omaly, salama tsara ialahy.

somary mitaintaina kely fotsiny i neni fa somary mizihitra hono ny
kibo hoy ny dokotera, tsy misy atahorana nefa na izany aza.

--
DouRiX

Read More »»

Monday, March 5, 2007

Vohoka - volana faha-6 ...

. Monday, March 5, 2007
1 comments

Androany 05 martsa no fantatra fa lahy ialahy. Nanao
echographie tany amin'ny MSI i dada sy neni, ary mama Emma no
nampahafantarin'ny dokotera.

Na dia tsy tena naniry hahalala mialoha aza dia faly satria
hoy dokotera hoe "nandresy ny rainy" :)

Enim-bolana an-kibo eo ho eo ialahy ary salama tsara ialahy
ary hita t@ echo daholo ny taova sy ny rantsana rehetra.

Nihestiketsika be sady nandaka be an'i dokotera t@ natao echo
satria tsy tia an'i neni mitsilany hono, sady noana koa
angamba.

Jereo anie ity ambany ity ny compte-rendu an'ny echo e.



Jereo koa i neni falifaly mitantara an'ialahy @ téléphone :)



-- dada & neni

Read More »»
 

followers