Tuesday, August 26, 2008

Fialan-tsasatra Vatomandry ...

. Tuesday, August 26, 2008
0 comments

Miala sasatra kely miaraka amin'i dada sy neni eto Vatomandry.

Tena faly sady nahazo rivotra razoki ary tena variana tamin'ny fahitana ranomasina voalohany. Mbola eto vatomandry amin'ny fotoana anoratana, ary razoki matory tsara, tsy mitafy lamba fa mafana ny andro.

Nanamarika ny fialan-tsasatra:
- matahotra ranomasina fadiranovana, ary tsy mety mandeha na eny amin'ny fasika aza fa tsy maintsy trotroina, ary mamikitra mafy dia mafy,
- teny Antsampanana vao hita fa adino ny akanjon-drazoki izay efa natokan'i neni amin'ny kitapo mitokana, ka voatery nividianana akanjo vitsivitsy teto Vatomandry,
- amin'ny maha fialan-tsasatra dia nampanaranam-po tamin'ny sakafo matsiro isan-karazany (côte, trondro, tsock, pates ...) hany ka somary narary kibo no niafarany,
- tsy mipetraka mihitsy rehefa misakafo fa tsy maintsy mandehandeha eran'ny trano (sahala amin'ilay cousine iray izay, oups), ary tsy maintsy arahi-maso fa raha tsy mianjera dia manjera zavatra,
- nanamarika ny taty koa ny fipoiran'ny nify faharoa ambany, ny ambony mbola vao manangasanga,

Raha fintinina, efa maromaro vitsivitsy ihany ny fisintahana ny renivohitra tao anatin'izay 15 volana latsaka kely izay, ary somary niha-lavitra hatrany:

- Alatsinainy Bakaro (67 km), fandevenana bebe Razafindrazaka, sept 07 (?)
- Ampefy (120 km), fialan-tsasatra, feb 08
- Antsirabe (176 km), asa fitoriana CMA, paska 2008
- Vatomandry (270 km), fialan-tsasatra, aog 08

Rahoviana no ho tonga any amin'ny maherin'ny 1000 km ? :)

--
Sent from Gmail for mobile | mobile.google.com

DouRiX

Read More »»

Friday, August 8, 2008

14 volana - maniry nify ...

. Friday, August 8, 2008
0 comments

Raha efa tany amin'ny 7 volana lasa no hita misy nify manomboka maniry anaty hihy, dia izao vao hita misy iray mipoitra amin'ny ambany afovoany. Somary nisy naratra kely ilay ankihibe nonoina, asa raha voarangotr'ilay nify kely vaovao.

Mahatsikaiky:
- vao nify 1 no mipoitra dia hoy neni hoe "toa sosona izy izany" (somary mivilana tsy tena mahitsy mantsy ilay nify)
- rehefa tezitra razoki dia ny lohany ihany no kapohiny na akapony amin'ny zavatra (coup de tête)
- tia manao "nankaiza ny tanteliko teto" ary tsy manaiky raha tsy averimberina eo foana, mandram-paha reraka.

Ankoatran'izay dia salama na dia somary nafanafana aza tamin'ny fipoiran'ilay nify. Somary mihena hoy ireo tsy mahita isan'andro, mbola tsy voalanja moa volana vitsivitsy lasa izay, fa ny takolaka aloha dia mbola botrabotra hatrany ...

--
Sent from Gmail for mobile | mobile.google.com

DouRiX

Read More »»
 

followers