"qui a eu cette idée folle, un jour d'inventer l'école" …
Anio 23-septambra 2009, no niditra nianatra voalohany Razoki. Raha nitsidika sekoly vitsivitsy manodidina ny fonenana vaovao ety ambohitrarahaba ny omalin'io, dia tapaka hevitra fa hampidirina anio satria efa nanomboka ny taom-pianarana.
Naterin'i dada sy neni, niditra tamin'ny 8 maraina. Mbola tsy nahazo ny fitaovana rehetra fa ny tao anaty kitapo kely dia: akanjo fisolo, gouter, eau vive, couche, mouchoir, … Rehefa avy nikarakara ny antotan-taratasy rehetra dia naterina tao an-dakilasy. Kilasy "petite section", ho an'ny zaza 2 sy 3 taona no nidirana, somary ngeza Razoki noho ireo zaza sasany na dia 2 taona sy 4 volana aza. Nigogogogo tsy laitra nony handeha i dada sy neni.
Tantaran'i "maîtresse" sisa no nahenoana fa teo amin'ny antsasa-kadiny teo vao (dia) nangina; tsy dia azo notambatambazana firy tamin'ny andro voalohany fa "navela nanao izay tiany atao, tsy niaraka tamin'ny ankizy, fa navela nandehandeha teny an-tokotany …" sns. Tamin'ny 11 ora firavana, dia efa miandry eo am-bavahady no hitan'ny mpitsena.
Izany no andro voalohanay tany an-dakilasy, fa dia enga anie ho tody amin'ny ambony indrindra!
Read More »»