Soratana eto ihany fa vao sambany, satria raha efa mba tonga lavitra ihany razoki hatreto (antsirabe, alatsinainy bakaro vatomandry, tsiafabositra, ...) hatramin'izay taona vitsivitsy (1,7) niainana izay, dia tonga aty amin'ny 4000 km mahery miala an'i dago amin'izao
fotoana izao.
Nainga tao antananarivo/ivato tamin'ny alakamisy 19 febroary 2009 tamin'ny 12 ora sy 40mn atoandro, tamin'ny zotra KQ501 ; nihazo an'i nairobi (kenya), niato kely ary natory in-1 alina tao ; avy teo nanohy ny dia ny ampitso maraina (20 feb 09 ora sy sasany), nandalo accra (ghana) ary tonga soa aman-tsara tao amin'ny "lungi international airport" (freetown, sierra-leone) ny hariva tamin'ny 4 ora sy sasany.
Io no fisidinana am-piaramanidina voalohany nandehanan-drazoki, nahazo aina tsara teny am-pandehanana, ary nahazo namana tamin'ny mpandeha manodidina mihitsy ny farany satria be lalao sy sangisangy sady mitabataba.
Somary mahavariana sy mahatsikaiky fa avy eo amin'ny aéroport dia mbola miampita rano amin'ny "vedette" ("water taxi" na "ferry" hoy zareo aty) eo amin'ny 20mn eo vao tonga amin'ny tena tanàna eto freetown. Efa somary reraka razoki ka vao narotsirotsin'ny ranomasina dia natory, hatramin'ny nahatongavana taty an-trano, tamin'ny 5 ora tany ho any. Tena ara-bakiteny ilay hoe "ampitan-dranomasina"!
Dia tsara nandroso moa razoki izay (sy dada sy neni, na dia nisy entana 1 tsy tonga aza), enga ka ho tsara miverina ...
--
Sent from my mobile device
DouRiX