Saturday, July 11, 2009

Voambolana - 2 Taona ...

. Saturday, July 11, 2009
2 comments

Efa maro ny voambolana na fiteny nosoratana teto, apetraka eto ihany ny maromaro/vitsivitsy amin'ny firesak'i razoki amin'izao faha-2 taona izao, mba ho mariky ny fitomboana sy ho fahatsiarovana aoriana. Tsy fitenin-jatovo fa fitenin-jaza ka rehefa azon'i dada sy neni dia izay no zava-dehibe:

  • ['voun:a]: asiana savony, rehefa manasa tanana
  • [piboo]: kibo
  • [babababe]: dadabe
  • [toun'dàa]: tongotra
  • [ou:nà]: orona
  • ['tèn]: bataina
  • [tèn-àmamaman]: je t'aime maman
  • [tè:nnn]: rehefa anontaniana hoe "how old are you?" (mananihany)
  • ['pi'nà]: ampiana
  • ['pi:nà]: pihana (jiro, télé, …)
  • ['fou:n'dadàa]: tsofina dada a (rehefa mahamay ny sakafo)
  • [booki]: boky
  • [lôl'lôl'àà]: chocolat
  • [ôàa]: dora
  • [bô:là]: baolina, na "cheese balls" (marihana fa tena mpankafy "cheese balls" tsy laitra razoki)
  • [pépé bouboudii]: hipetraka ny … ( | ) :-)

Bye bye "doo" ee (ondana), bye bye "bibin" ee, bye bye "télé" ee: rehefa faly be fa ho entina mivoaka ny trano handehandeha, dia atao veloma daholo ny kilalao sy ny entana ao an-trano;


Efa misy koa anefa ny tena efa hay ny manonona azy na izany aza, toy ny: dada, neny, maman, tanana, loha, vava, hello, ...

Read More »»

Monday, July 6, 2009

2 taona - Jery todika @ alalan'ny sary ...

. Monday, July 6, 2009
0 comments

Jery todika kely ny fitomboako, amin'ny alalan'ny sary iray isam-bolana, hatramin'ny vao teraka ka hatramin'izao faha-25 volana izao. (Raha tsy misokatra na te hijery lehibebe kokoa dia jereo eto)


Read More »»
 

followers