2 taona latsaka 2 volana razoki @izao, salama tsara sady tomady, somary matanjaka loatra ary ka tsy dia hita mitombo firy.
Somary madiditra koa tato ho ato, amin'ilay tsy misy namana angamba (ankizy resahina sy miara-milalao).
Toy izao indray ny fiovana (na tsy fiovana) tato ho ato:
- tena tia milingilingy sy mianikanika: seza, latabatra, varavarankely; ary mikitikitika: manapika fahitalavitra (tv), manapika jiro, manapiaka "prise" (misy interrupteur daholo ny prise élécrtrique), manokatra sy manidy armoire, varavarankely, ...
- efa manomboka mahay mivavaka amin'izao rehefa alohan'ny sakafo (raha mahay no filaza an'izany), ny tanana mipetaka amin'ny tarehy ihany fa manandrify ny orona sy ny vava kokoa, avy eo mingonongonona tsy misy fantatra, dia mifarana mafy hoe "aanèenn!", soa fa fantatr'i Jesosy ny tiana hambara (jereo anie eto e);
- tato ho ato koa izay dia misotro rano be, ny teny voalohany isa-maraina vao mifoha dia "tsoutsouà" (omeo rano);
- rehefa sabotsy na alahady dia mba entin'i dada sy neni eny amoron-dranomasina (lumley beach, freetown), efa tsy dia matahotra ranomasina intsony amin'izao, ary efa sahy mitsoboka sady tena faly; avy eo apetraka milalao fasika no tena fahafinaretana, feno fasika hatrany antampon-doha ka hatrany anaty salaka (couche).
--
Sent from my mobile device
DouRiX
Read More »»