Showing posts with label freetown. Show all posts
Showing posts with label freetown. Show all posts

Tuesday, June 2, 2009

02-Jona-2009 - Happy 2 Year's Birthday Razoki …

. Tuesday, June 2, 2009
16 comments

Sabotsy 02-Jona-2007 - Talata 02-Jona-2009 - Feno 2 taona anio Ilo Andy Rafieferantsiaronjy, alias Razoki.

Raha misy *firarian-tsoa* dia afaka apetrakao eto (na koa @ rohy "Post a Comment" eto) mba ho solon'ny "boky volamena", sy ho tahiry ho ahy rehefa mahay mamaky teny.
(Mbola tsy manana kaonty @ banky afaka handefasana fanomezana :-)


Mankasitraka sahady amin'ny firarian-tsoa sy tso-drano rehetra.

"Lehibe aho izao, tsy toy ny tamin'ny taona lasa" …

-- ilo AndY

Posted by Picasa

Read More »»

Monday, June 1, 2009

2 taona latsaka 12 ora ...

. Monday, June 1, 2009
0 comments

Rahampitso 02-Jona-09 no faha-2 taonan-drazoki. Herintaona toy izao koa no nanaovana ny batisa tao amin'ny FJKM Ambohitantely (http://iloandy.blogspot.com/2008/06/batisa.html), fahasoavana in-droa miantaona satria fitomboana ara-batana sy ara-panahy.

Mbola eto Freetown, Sierra-Leone aloha hatreto; ny halavana no tena mitombo, fa ny lanja toa eo ho eo ihany raha atao topi-maso. Tena matanjaka be na izany aza, tsy laitra mihitsy amin'ny fianinkanihana, sy ny fanimbana zavatra.

Mbola mijery "Dora The Explorer" na "dessins animés" (boomrang @ DStv) aloha no androatokon'andro amin'izao. Efa mahay mandefa télé sy DVD mihitsy rehefa hijery Dora. Rehefa tsy izay dia milalao "bibiinàa" (tômôbila kely) na baolina.

Ankoatra ny kilalao dia ireto no tena zavatra ankafizin-drazoki amin'izao:
- Manimba zavatra: ny "voiture téléguidée" vao novidiana 2 herinandro lasa izay dia efa niongotra ny - antenne, miala ny tafo, tapaka ny "pare brise", loaka ny carosserie;
- Misotro rano (na jus), avy eo araraka eraky ny trano, na seza izay tsy lany;
- Manapiaka "prise" (éléctriique) na "interrupteur", manovanova télé;
- Mandrovitra boky na taratasy;
- Misangisangy;

Mba tsy migafy ihany kosa anefa no hain-drazoki na izany aza:
- Efa mahay mametraka "sous plats" ambony latabatra alohan'ny sakafo;
- Efa mahay irahina manary zavatra any amin'ny fitoeram-pako (corbeille);
- Efa tena mahay ary tena tia irahina maka zavatra na mametraka zavatra any an'efitra hafa;
- Efa mahay mivavaka (jereo eto http://iloandy.blogspot.com/2009/03/razoki-mivavaka.html)
- …

Dia efa miarahaba an-drazoki tratry ny tsingerin-taona faharoa (sady miarahaba tena) sahady i dada sy neni …

Posted by Picasa

Read More »»

Sunday, May 3, 2009

23 volana - "Doo", "Babii", "Ôôah" …

. Sunday, May 3, 2009
0 comments

02 May 09, faha 23 volana (23ème mensuversaire), mbola eto freetown, sierra-leone; mbola tsy miteny anglisy, na mbola tsy miteny ny marimarina kokoa :) Efa te hiteny mafy fa mbola tsy tafa, na izany aza mba efa manao "hello", "'mo'rning", "bye bye" ...

Ny lanja sy ny refy dia tsy azo an-tsaina aloha hatreto fa mbola tsy nandalo dokotera (soa ihany). Ny kiraro eo @ "pointure" 24 eo izao, satria ny iray 23 (aigle d'or) dia efa mitady tsy ho antonona.

"Tsy foy"

Ireto no zavatra vitsivitsy tena ankafizin-drazoki amin'izao, ary tena tsy foy mihitsy:

mankafy dora miaraka @ doo ...- "Doo" : izy ity dia ondana kely efa azo hatramin'ny nahaterahana, tsy adino mihitsy rehefa handeha hatory na hipetraka hijery télé, na mandeha milalao aza indraindray. Rehefa manao hoe "doo aa" dia mitady ondana izay ny dikany; Ny tena maha-hafa azy dia izy tsy misy fonony, ary tsy tiana mihitsy raha vao asiana fonony na dia efa makafoka aza;


babii...- "Babii": izy indray dia kilalao azo tamin'ny krismasy tany @ tata Ninah, karazana ombimanga (cerf?) mena abotsina sy azo taingenana toy ny soavaly. Rehefa te ho babena mantsy razoki dia manao hoe "babii aa", hany ka raikitra hoe "babii" ny anaran'ilay kilalao. Mandehandeha mitsambikimbikina miaraka amin'io eran'ny trano no anisan'ny fahafinaretana andavan'andro; ary matetika efa handeha hatory aza dia mbola mandeha "babii" mankeny am-pandriana;

- "Ôôah" ("Dora" na "Dora The Explorer"), ilay horonan-tsary (dessins animés, cartoon) fantatry ny ankizy kely rehetra misy hirahira sy fianarana miteny. Tao anatin'ny herinandro vitsivitsy izay raha vao nahita santionany razoki dia nahazo fy, tsy miala mihitsy maraina, atoandro, hariva; vao mifoha dia "Ôôah Ôôah".

(*) na dia anisan'ny tsy mankasitraka ny fampiasana "p2p" aza i dada dia mba nampiasa "bittorrent" tamin'ity in-dray mitoraka ity nakana "Dora The Explorer - season 1" ho an-drazoki :)

Read More »»

Friday, April 3, 2009

22 volana ...

. Friday, April 3, 2009
0 comments


2 taona latsaka 2 volana razoki @izao, salama tsara sady tomady, somary matanjaka loatra ary ka tsy dia hita mitombo firy.

Somary madiditra koa tato ho ato, amin'ilay tsy misy namana angamba (ankizy resahina sy miara-milalao).

Toy izao indray ny fiovana (na tsy fiovana) tato ho ato:

- tena tia milingilingy sy mianikanika: seza, latabatra, varavarankely; ary mikitikitika: manapika fahitalavitra (tv), manapika jiro, manapiaka "prise" (misy interrupteur daholo ny prise élécrtrique), manokatra sy manidy armoire, varavarankely, ...
- efa manomboka mahay mivavaka amin'izao rehefa alohan'ny sakafo (raha mahay no filaza an'izany), ny tanana mipetaka amin'ny tarehy ihany fa manandrify ny orona sy ny vava kokoa, avy eo mingonongonona tsy misy fantatra, dia mifarana mafy hoe "aanèenn!", soa fa fantatr'i Jesosy ny tiana hambara (jereo anie eto e);
- tato ho ato koa izay dia misotro rano be, ny teny voalohany isa-maraina vao mifoha dia "tsoutsouà" (omeo rano);
- rehefa sabotsy na alahady dia mba entin'i dada sy neni eny amoron-dranomasina (lumley beach, freetown), efa tsy dia matahotra ranomasina intsony amin'izao, ary efa sahy mitsoboka sady tena faly; avy eo apetraka milalao fasika no tena fahafinaretana, feno fasika hatrany antampon-doha ka hatrany anaty salaka (couche).

--
Sent from my mobile device

DouRiX

Read More »»

Sunday, March 29, 2009

razoki mivavaka ...

. Sunday, March 29, 2009
0 comments

zany razoki rehefa mivavaka, patiny fotsiny:

Read More »»

Wednesday, March 4, 2009

21 volana - razoki in freetown ...

. Wednesday, March 4, 2009
0 comments


21 volana razoki ankehitriny, salama tsara na dia somary nafanafana kely aza teo noho ny fiovan'ny toetr'andro:

- vao mitady hipoitra ny nify faha-9 sy faha-10, vangy amin'ny ilany ambony/havanana, sy ambany/havia, mety hilay ihany satria "symetrique" tsara :)
- efa tena mahazo baiko ary azo irahina maka zavatra (mosoara, kapa, akanjo, kaopy, ...), fa zany hoe baiko amin'ny teny gasy :(
- mbola tsy nolanjaina fa siora hoe nitombo be satria amin'ny mari-drefy "pound" ny fandanjana aty (1 pound = 0.45kg) :)
- ny voam-bolana dia tsy mitsaha-mitombo ary indraindray sady tsy gasy, tsy vazaha, tsy japoney fa an-drazoki irery ihany:
* mémé: te hijery dessins animés
* "doo aaa" na "maman yaa" na "papa yaa": mangataka zavatra,
* doo: ondana kely tsy mety sarahina hatrany tana, ary zary efa makafoka kely (ilay ondana fa tsy razoki) satria tsy manaiky raha vao asiana fonony,
* tsou tsou: hisotro rano

Ankoatr'izay, i dada sy neni no tena vao mizatra ny fiainana eto freetown, amin'ny sakafo, vidin-javatra, sns ; fa ny an-drazoki dia ny omaly tsy miova fa ny toerana fotsiny no nifindra:


- 60% matory,
- 20%: misakafo, milalao, manakorotan-trano, manimba zavatra, migafy,
- ny ambiny: misakafo, milalao, manakorotan-trano, manimba zavatra, migafy,

Mbola azo lazaina hoe tsara ihany aloha ny vokatra satria tao anatin'ny herinandro dia vao vera iray izay no vaky, ary boky vitsivitsy no rovitra. oups ...

--
Sent from my mobile device

DouRiX

Read More »»

Monday, February 23, 2009

Fandaozana vetivety an'i Madagasikara ...

. Monday, February 23, 2009
0 comments


Soratana eto ihany fa vao sambany, satria raha efa mba tonga lavitra ihany razoki hatreto (antsirabe, alatsinainy bakaro vatomandry, tsiafabositra, ...) hatramin'izay taona vitsivitsy (1,7) niainana izay, dia tonga aty amin'ny 4000 km mahery miala an'i dago amin'izao
fotoana izao.

Nainga tao antananarivo/ivato tamin'ny alakamisy 19 febroary 2009 tamin'ny 12 ora sy 40mn atoandro, tamin'ny zotra KQ501 ; nihazo an'i nairobi (kenya), niato kely ary natory in-1 alina tao ; avy teo nanohy ny dia ny ampitso maraina (20 feb 09 ora sy sasany), nandalo accra (ghana) ary tonga soa aman-tsara tao amin'ny "lungi international airport" (freetown, sierra-leone) ny hariva tamin'ny 4 ora sy sasany.


Io no fisidinana am-piaramanidina voalohany nandehanan-drazoki, nahazo aina tsara teny am-pandehanana, ary nahazo namana tamin'ny mpandeha manodidina mihitsy ny farany satria be lalao sy sangisangy sady mitabataba.

Somary mahavariana sy mahatsikaiky fa avy eo amin'ny aéroport dia mbola miampita rano amin'ny "vedette" ("water taxi" na "ferry" hoy zareo aty) eo amin'ny 20mn eo vao tonga amin'ny tena tanàna eto freetown. Efa somary reraka razoki ka vao narotsirotsin'ny ranomasina dia natory, hatramin'ny nahatongavana taty an-trano, tamin'ny 5 ora tany ho any. Tena ara-bakiteny ilay hoe "ampitan-dranomasina"!

Dia tsara nandroso moa razoki izay (sy dada sy neni, na dia nisy entana 1 tsy tonga aza), enga ka ho tsara miverina ...


--
Sent from my mobile device
DouRiX

Read More »»
 

followers