Tuesday, July 22, 2008

Deuxième "premiers pas" ...

. Tuesday, July 22, 2008
0 comments

Omaly 21 Jolay (13 volana sy 19 andro eo) vao tena nandeha irery tsy nitazona @izay, somary mbola mivilavila kely, ary mamonjy mihazakazaka maka sisiny rehefa mitady hianjera. Raha 1 volana lasa teo izay no ilay hita nandeha irery voalohany, dia somary nijanona teo fa natahotra angamba, sady somary nanamasaka "équilibre".

Ny maraina nampandehanin'i dada sy tonton mahefa, somary arahina avy ato aoriana sao mianjera, ny hariva efa nanomboka tsy natahotra intsony fa mandeha "irery" manaraka an'i neni miverzivezy eran'ny trano, hatrany an'efitra hatrany an-dakozia, salon.

Jereo anie e ...

--
Sent from Gmail for mobile | mobile.google.com

DouRiX

Read More »»

Thursday, July 3, 2008

Izahay sy ny ...

. Thursday, July 3, 2008
0 comments

Izahay sy ny Télé:

Tsy ny fandaharana rehetra fa misy karazany tonga dia mahavariana ary mijanona mihitsy ny lalao sns rehefa mandeha. Santionany:

- pubs: celtel, la vache qui rit, petit train (mbs), générique pub rta, ...
- hira: ny générique-n'i Muneca Brava, ankilabao (tv plus), rehefa hira mihetsiketsika dia sady manaraka mihetsiketsika koa (ny fitombenana) eo ambony fandriana,
- dessins animés,
- ...

Izahay sy ny Fiara:

Tena tia fiara hatr@ fahakely satria:

- efa hatramin'ny vao teraka dia mora matory rehefa voarotsirotsin'ny fiara,
- taty aoriana nony efa nanomboka nitsangana dia faly dia faly rehefa atsangana eo @ volant, ary efa manao "vroom" sy mikitikitika, tsy laitra raha handefa essuye glace sy clingotant,
- ny tena fifaliana dia rehefa ampofoin'ny dada eo am-pitondrana fiara,

Izahay sy ny Lamba:

Tsy dia tena mpinamana loatra, faran'izay mpandaka lamba amin'ny alina, na dia amin'ny aty ririnina tanteraka aza. Kivy mihitsy i dada sy neni satria mitsipa-damba be amin'ny alina, raha vao tafiana dia vao maika mitsipatsipaka, ary taitra mihitsy raha terena, hany hery dia ny akanjo entina matory no atao matevina :-(

Izahay sy ny Sakafo:

Efa voalaza matetitetika teto ihany fa anisan'ny mazoto homana (mba tsy hilazana hoe tendan-kanina) raha samy zaza, ary tena mahalany na dia somary terena aza indraindray. Ny tena ankafizina dia:

- yaourt,
- rano, jus,
- ny sakafo matsiro fihinan'ny lehibe,
- ...

Izahay sy ny Ankihibe:

Tena tsy mifankafoy satria minono tanana be tsy laitra, nanahaka an'i dada (fony kely), ary mahagaga fa samy ankihibe (n-tanana) ankavanana. Manaranaka ve ny finonoana tanana? (Oups)

Ireo aloha no masaka fa mbola tantarain'i dada sy neni eo ihany izahay
sy ny zavatra hafa aoriana ...

--
Sent from Gmail for mobile | mobile.google.com

DouRiX

Read More »»

1 taona sy 1 volana ...

.
0 comments

Herintaona sy 1 volana ny tary @izao (1+1). Tsy tena araka ny fitomboana ara-batana, indraindray toa ngeza ihany, nefa somary toa mihena koa, ilay manomboka mipelipelika sy mianatra mandeha angamba no mahatonga an'io.

Ny saina koa hita fa tena mivoatra, efa mianatra fihetsika maro: manondro télé, "kokou" (akoho), mampiseho lela, mi-téléphone, manao "bye bye", ... Fa ny tena spécialité hatreto dia mbola ny mitehaka sy ny manao "nankaiza ny tanteliko teto".

Ny fanahy sarotra ny mandrefy fa ny azo ambara aloha hatreto dia mbola entina mivoaka foana rehefa entina am-piangonana fa mitabataba ...

--
Sent from Gmail for mobile | mobile.google.com

DouRiX

Read More »»
 

followers