Showing posts with label samihafa. Show all posts
Showing posts with label samihafa. Show all posts

Saturday, May 14, 2011

Vakansy à Majunga ...

. Saturday, May 14, 2011
0 comments



Fialan-tsasatra fohy tany mahajanga ny 05-12 may 2011, sady nanao adidy no nanararaotra naka rivo-dranomasina kely. Somary nanavinavy fa lavitra ny lalana sady mafana loatra, fa tsy ela dia niafana.

Rivotra tokoa no nalaina satria nataho-dranomasina fadira-novana razoki, vao entina manantona 3m miala ny moron-drano dia midongy ho any anaty fiara :) Tany Freetown t@ 2009 no nahita ranomasina farany talohan'io.

Amin'ny piscine vao mba mety nilalao tsara.


Read More »»

Sunday, December 26, 2010

Krismasy 2010 ...

. Sunday, December 26, 2010
0 comments

Read More »»

3 taona - Mahafinaritra (anecdotes) ...

.
0 comments

Tsy araka intsony ny nanoratra tato @ blog hatr@ nahatongavan-dRazandri t@ 02 Aog (http://twitter.com/arostan). Na izany aza anefa dia mitombo tsara razoki, efa tena miresaka be na saro-kenatra aza indraindray.

Santionantionan'ny resaka mahafinaritra t@ ity 2010 ity (betsaka fa vitsy no voarain'i dada sy neni):

- nihazakazaka tany @ douche razoki, dia nosasana ilay "katilesy" fa hoe maloto hono,
- handeha hamangy fianakaviana nodimandry i dada sy neni: "maty ilay olona? nisy nitifitra t@ basy ilay olona e ..."
-

Voambolana sy fomba fiteny mahafinaritra:
- gôgôsa: bogosy
- bobozelà: vuvuzela (coupe du monde afrique du sud 2010)
- 'nde hi-"cross" be 'za ho any @ maman?
- "tsy mamely dada"
- nividy "vodi-loka" (good look) an tonton Mahefa zay,
- ninana "prom-prom-zé" (composé) 'zay,
- rehefa manontany zavatra ka mamaly neni: "tena mahafantatra mihitsy maman ity an!"
- "hiteny français eo za an",
...

Read More »»

Monday, July 26, 2010

3 taona - vakansy à Ranomafana ...

. Monday, July 26, 2010
0 comments

Hafa kely ny fialan-tsasatra tamin'ity, fa tsy niaraka tamin'i dada sy
neni, nefa dia lasa tany amin'ny 400km mahery miala an'Antananarivo -
lalana farany lavitra nataon-drazoki tamin'ny fiarakodia. Ranomafana
Fianarantsoa no notsidihana teto, ary niaraka t@ tonton sy tata sy
cousin sy cousines, afaka andro tanteraka nilalao niaraka t@ ankizy sy
nilalao rano.

Vao voalohany koa no nisaraka tamin'i dada sy neni andro vitsivitsy (5
andro), tsy nalahelo firy (mba tsy hilazana hoe mihitsy) ary tena faly
ery nony tafaverina.

Rehefa antsoina @ tel tany dia hoe: "lomano zahay tami-maraina, de
mamay lay rano ..."

Read More »»

Sunday, May 9, 2010

Arahaba ririnina razoki ...

. Sunday, May 9, 2010
1 comments


Vita soa aman-tsara anio 08/05/10 t@ 05:45 teo ny didim-poitran-dRazoki, teny @ Dr Louis teny Sab-Nam izay mampiasa fomba malagasy amin'ny fitaovana moderna (bisturi sy soudure). Teo am-panaovana azy no tena nitomany be, sady mamerimberina: "mamay bôbôssa, mamay bôbôssa, tsy tapa'na bôbôssa!"; fa vao avy tao dia nangina, ary nody naka aina. Tsy nitomany mihitsy nandritra ny andro na somary nangingina aza ny maraina, fa ny hariva dia efa nanomboka miresaka, milalao, mihira.

Araka ny fahalalana sy ny famakiana lahatsoratra isan-karazany dia ireto ny antony tena hanaovana ny didim-poitra (circoncision) na koa famorana, fora, hasoavana hoy isika malagasy:
- ara-tsoratra masina (baiboly): mariky ny fifandraisana amin'Andriamanitra ho an'ny jiosy sy ny taranak'i Abrahama (Gen 17:10-12);
- fomban-drazana malagasy: fanehoana ny fahatanjahana (virilité) ary fanamarihana ny fidirana amin'ny tena maha-"lehilahy";
- ara-pahasalamana: manampy ny vatana amin'ny fivoahan'ny loto, sy fiarovana @ aretina isan-karazany (diabeta, homa-miadana, sida, ...).

Manomboka eto izany vao tena "ho lehilahy" tokoa Razoki, ary mirary ny soa rehetra i dada sy neni - araka ny tso-drano isan-karazany azo: "arahaba ririnina", "aza ela fery", "arahabaina nahazo fahasoavana", "ho lehilahy ialahy leiroa", ...

Read More »»

Tuesday, June 2, 2009

02-Jona-2009 - Happy 2 Year's Birthday Razoki …

. Tuesday, June 2, 2009
16 comments

Sabotsy 02-Jona-2007 - Talata 02-Jona-2009 - Feno 2 taona anio Ilo Andy Rafieferantsiaronjy, alias Razoki.

Raha misy *firarian-tsoa* dia afaka apetrakao eto (na koa @ rohy "Post a Comment" eto) mba ho solon'ny "boky volamena", sy ho tahiry ho ahy rehefa mahay mamaky teny.
(Mbola tsy manana kaonty @ banky afaka handefasana fanomezana :-)


Mankasitraka sahady amin'ny firarian-tsoa sy tso-drano rehetra.

"Lehibe aho izao, tsy toy ny tamin'ny taona lasa" …

-- ilo AndY

Posted by Picasa

Read More »»

Monday, February 23, 2009

Fandaozana vetivety an'i Madagasikara ...

. Monday, February 23, 2009
0 comments


Soratana eto ihany fa vao sambany, satria raha efa mba tonga lavitra ihany razoki hatreto (antsirabe, alatsinainy bakaro vatomandry, tsiafabositra, ...) hatramin'izay taona vitsivitsy (1,7) niainana izay, dia tonga aty amin'ny 4000 km mahery miala an'i dago amin'izao
fotoana izao.

Nainga tao antananarivo/ivato tamin'ny alakamisy 19 febroary 2009 tamin'ny 12 ora sy 40mn atoandro, tamin'ny zotra KQ501 ; nihazo an'i nairobi (kenya), niato kely ary natory in-1 alina tao ; avy teo nanohy ny dia ny ampitso maraina (20 feb 09 ora sy sasany), nandalo accra (ghana) ary tonga soa aman-tsara tao amin'ny "lungi international airport" (freetown, sierra-leone) ny hariva tamin'ny 4 ora sy sasany.


Io no fisidinana am-piaramanidina voalohany nandehanan-drazoki, nahazo aina tsara teny am-pandehanana, ary nahazo namana tamin'ny mpandeha manodidina mihitsy ny farany satria be lalao sy sangisangy sady mitabataba.

Somary mahavariana sy mahatsikaiky fa avy eo amin'ny aéroport dia mbola miampita rano amin'ny "vedette" ("water taxi" na "ferry" hoy zareo aty) eo amin'ny 20mn eo vao tonga amin'ny tena tanàna eto freetown. Efa somary reraka razoki ka vao narotsirotsin'ny ranomasina dia natory, hatramin'ny nahatongavana taty an-trano, tamin'ny 5 ora tany ho any. Tena ara-bakiteny ilay hoe "ampitan-dranomasina"!

Dia tsara nandroso moa razoki izay (sy dada sy neni, na dia nisy entana 1 tsy tonga aza), enga ka ho tsara miverina ...


--
Sent from my mobile device
DouRiX

Read More »»

Saturday, December 27, 2008

krismasy 2008 ...

. Saturday, December 27, 2008
0 comments

Krismasy 2008, 1 taona sy enim-bolana teo, krismasy faharoa ho an-drazoki. Nifoha maraina nijery kilalao, avy eo nivavaka tany ambohitantely, tany an-tokontany hatrany satria naditra be. Avy teo nisakafo tany @ bébé Emma sy dadabe Rabaina, ary ny hariva nilalao sy nitaingina soavaly teny analakely. Ny ampitso 26-desambra vao nanokatra ny kilalao rehetra tao an-trano.

Toy izao ny sary, diso 7 izay mahay, krismasy 2007 vs krismasy 2008 !



Posted by Picasa

Read More »»

Tuesday, August 26, 2008

Fialan-tsasatra Vatomandry ...

. Tuesday, August 26, 2008
0 comments

Miala sasatra kely miaraka amin'i dada sy neni eto Vatomandry.

Tena faly sady nahazo rivotra razoki ary tena variana tamin'ny fahitana ranomasina voalohany. Mbola eto vatomandry amin'ny fotoana anoratana, ary razoki matory tsara, tsy mitafy lamba fa mafana ny andro.

Nanamarika ny fialan-tsasatra:
- matahotra ranomasina fadiranovana, ary tsy mety mandeha na eny amin'ny fasika aza fa tsy maintsy trotroina, ary mamikitra mafy dia mafy,
- teny Antsampanana vao hita fa adino ny akanjon-drazoki izay efa natokan'i neni amin'ny kitapo mitokana, ka voatery nividianana akanjo vitsivitsy teto Vatomandry,
- amin'ny maha fialan-tsasatra dia nampanaranam-po tamin'ny sakafo matsiro isan-karazany (côte, trondro, tsock, pates ...) hany ka somary narary kibo no niafarany,
- tsy mipetraka mihitsy rehefa misakafo fa tsy maintsy mandehandeha eran'ny trano (sahala amin'ilay cousine iray izay, oups), ary tsy maintsy arahi-maso fa raha tsy mianjera dia manjera zavatra,
- nanamarika ny taty koa ny fipoiran'ny nify faharoa ambany, ny ambony mbola vao manangasanga,

Raha fintinina, efa maromaro vitsivitsy ihany ny fisintahana ny renivohitra tao anatin'izay 15 volana latsaka kely izay, ary somary niha-lavitra hatrany:

- Alatsinainy Bakaro (67 km), fandevenana bebe Razafindrazaka, sept 07 (?)
- Ampefy (120 km), fialan-tsasatra, feb 08
- Antsirabe (176 km), asa fitoriana CMA, paska 2008
- Vatomandry (270 km), fialan-tsasatra, aog 08

Rahoviana no ho tonga any amin'ny maherin'ny 1000 km ? :)

--
Sent from Gmail for mobile | mobile.google.com

DouRiX

Read More »»

Thursday, July 3, 2008

Izahay sy ny ...

. Thursday, July 3, 2008
0 comments

Izahay sy ny Télé:

Tsy ny fandaharana rehetra fa misy karazany tonga dia mahavariana ary mijanona mihitsy ny lalao sns rehefa mandeha. Santionany:

- pubs: celtel, la vache qui rit, petit train (mbs), générique pub rta, ...
- hira: ny générique-n'i Muneca Brava, ankilabao (tv plus), rehefa hira mihetsiketsika dia sady manaraka mihetsiketsika koa (ny fitombenana) eo ambony fandriana,
- dessins animés,
- ...

Izahay sy ny Fiara:

Tena tia fiara hatr@ fahakely satria:

- efa hatramin'ny vao teraka dia mora matory rehefa voarotsirotsin'ny fiara,
- taty aoriana nony efa nanomboka nitsangana dia faly dia faly rehefa atsangana eo @ volant, ary efa manao "vroom" sy mikitikitika, tsy laitra raha handefa essuye glace sy clingotant,
- ny tena fifaliana dia rehefa ampofoin'ny dada eo am-pitondrana fiara,

Izahay sy ny Lamba:

Tsy dia tena mpinamana loatra, faran'izay mpandaka lamba amin'ny alina, na dia amin'ny aty ririnina tanteraka aza. Kivy mihitsy i dada sy neni satria mitsipa-damba be amin'ny alina, raha vao tafiana dia vao maika mitsipatsipaka, ary taitra mihitsy raha terena, hany hery dia ny akanjo entina matory no atao matevina :-(

Izahay sy ny Sakafo:

Efa voalaza matetitetika teto ihany fa anisan'ny mazoto homana (mba tsy hilazana hoe tendan-kanina) raha samy zaza, ary tena mahalany na dia somary terena aza indraindray. Ny tena ankafizina dia:

- yaourt,
- rano, jus,
- ny sakafo matsiro fihinan'ny lehibe,
- ...

Izahay sy ny Ankihibe:

Tena tsy mifankafoy satria minono tanana be tsy laitra, nanahaka an'i dada (fony kely), ary mahagaga fa samy ankihibe (n-tanana) ankavanana. Manaranaka ve ny finonoana tanana? (Oups)

Ireo aloha no masaka fa mbola tantarain'i dada sy neni eo ihany izahay
sy ny zavatra hafa aoriana ...

--
Sent from Gmail for mobile | mobile.google.com

DouRiX

Read More »»

1 taona sy 1 volana ...

.
0 comments

Herintaona sy 1 volana ny tary @izao (1+1). Tsy tena araka ny fitomboana ara-batana, indraindray toa ngeza ihany, nefa somary toa mihena koa, ilay manomboka mipelipelika sy mianatra mandeha angamba no mahatonga an'io.

Ny saina koa hita fa tena mivoatra, efa mianatra fihetsika maro: manondro télé, "kokou" (akoho), mampiseho lela, mi-téléphone, manao "bye bye", ... Fa ny tena spécialité hatreto dia mbola ny mitehaka sy ny manao "nankaiza ny tanteliko teto".

Ny fanahy sarotra ny mandrefy fa ny azo ambara aloha hatreto dia mbola entina mivoaka foana rehefa entina am-piangonana fa mitabataba ...

--
Sent from Gmail for mobile | mobile.google.com

DouRiX

Read More »»

Thursday, June 19, 2008

Mandeha irery (premiers pas) ...

. Thursday, June 19, 2008
0 comments

Efa elaela no nianatra nandeha fa mbola nitazotazona na nandeha opala.

Omaly alarobia 18 jona (12 volana sy 16 andro) kosa no nanomboka nianatra ary hita fa nandeha irery voalohany; niantomboka t@ 3 - 4 pas teo, efa nahavita hatr@ 4m eo ho eo teny an-tokotany, na mbola somary mivilavila aza sady arahina akaiky. Faly be i neni izay tena
nanatri-maso satria voalohany nahitana an-drazoki nandeha irery io ka tena nahavariana.

Tso-dranon'i dada sy neni, ara-bakiteny: "soava dia razoki ..."

--
Sent from Gmail for mobile | mobile.google.com

Read More »»

Thursday, June 12, 2008

07 jona 08 - koranam-pankalazana taona voalohany & batisa ...

. Thursday, June 12, 2008
0 comments

Tontosa soa aman-tsara ny nankalazana ny tsingerintaona voalohany sy ny batisa, korana tsotsotra nanasana fianakaviana sy namana vitsivitsy, tao amin'ny JR restaurant anosivavaka, ny asabotsy 07 jona 2008.

Famintinana:
- 2 ora: fahatongavana, fitsofana "balaonina"
- 3 ora: nanomboka ny fotoana, fotoam-pivavahana fohy sy fisaorana ny mpanotrona, fanokafana tamin'ny hiran'i dada & neni (satria), afindrafindrao
- 03 ora sasany: korana, hirahira/karaoke, dihy, billard, tsakitsaky
- 6 ora sasany: fitsofana labozia sy fizarana mofomamy
- 7 ora: tapaka ny jiro, vavaka famaranana, fifanaovam-beloma, tso-drano sy fanomezana (cadeaux)

Tena faly tokoa razoki satria:
- nandihy sy nilalao balaonina niaraka tamin'ny ankizy rehetra
- rehefa nahita ny jiro maroloko (spot) maty sy mirehitra dia nihorakoraka sy nitehatehaka
- variana rehefa nijery ny labozia sy tainkitana teo ambony mofomamy, sy ny setroka mifangaro taratra jiro,
- nahazo fanomezana be dia be: kilalao (gitara 2, fiarakely 4, ...), akanjo (ambony ambany 4, satroka ba, cache nez, gant), nonours (3), ny baiboly keliko, arendrina, gourmette,
- ...

Koa misaotra betsaka an'ireo izay nanotrona, nirary soa ary koa nanolotra fanomezana. sitraka enti-matory hono, hoy razoki, ka hovaliana rehefa mifoha (matory mantsy razoki eto am-panoratana :).

Nahavariana fa avy ny orana tamin'io takariva io, na dia ati-ririnina tanteraka aza ny andro, tso-drano hoy isika malagasy: "mahaleova mahalasana lehiroa ..."

--
Sent from Gmail for mobile | mobile.google.com

DouRiX

Read More »»

Monday, June 2, 2008

02 Jona 2008 - 1er anniversaire - firarian-tsoa ...

. Monday, June 2, 2008
14 comments

Sabotsy 02 Jona 2007 - Alatsinainy 02 Jona 2007, tsingerin-taona voalohany nahaterahan'i Ilo Andy alias Razoki.

Ny omalin'io koa, alahady 01 Jona 2008, 01 taona latsaka 01 andro, no nanaovana ny batisa.

Ankasitrahana ny fametrahanao izay mitsidika firarian-tsoa (voeux, wishes) eto ho an-drazoki, na Ilo Andy. Ampidiro amin'ny rohy (lien) eto ambany: "Comments" ny firarian-tsoa.

Satria ny teny hono manidina, fa ny soratra mitoetra ...

--
Sent from Gmail for mobile | mobile.google.com

DouRiX

Read More »»

Sunday, June 1, 2008

Batisa ...

. Sunday, June 1, 2008
0 comments

Vita androany Alahady 01 Jona 2008 tao amin'ny FJKM Ambohitantely ny
batisa. I Pasteur Rakotonavalona Maholy no nanantanteraka izany.

Tamin'ny 10 ora no niditra ny fiangonana, somary fenofeno ny
fiangonana satria sady fanomamana ny fanokafana ny faha-145 taonan'ny
fiangonana, izay hankalazaina mandritra ny volana Jona iray manontolo.

Mipelipelika sy mitehatehaka teo amin'ny tena fotoanan'ny batisa.
Mifindrafindra eny amin'i dada sy neni fa tsy mahatombina. Somary
nitomany kely sady nanilika ny tanan'i pastera tamin'ilay
nametrahan-tanana.

Vao vita ny batisa dia efa tany an-tokontany indray aloha niaraka
amin'i Miharv fa nanomboka mitabataba ...

--
Sent from Gmail for mobile | mobile.google.com

DouRiX

Read More »»

Friday, May 30, 2008

Fanomanana @ batisa ...

. Friday, May 30, 2008
0 comments

Alakamisy 29 May 2008 t@ 6 ora sy 40mn, fihaonana fohy niarahana t@
pasteur Maholy tao Ambohitantely ho fanomanam-panahy ny amin'ny
hanaovana batisa an-drazoki ny Alahady 02 Jona.

Antony telo hoy pasitera no hanaovana ny batisa, izay samy manambara
ny maha zanak'Andriamanitra:

1. Fitiavan'Andriamanitra
2. Famelan-keloka: tsy ny heloka efa vita (ihany akory) fa efa
famelan-keloka sahady amin'ny fahotana aoriana
3. Fiarovana avy amin'Andriamanitra amin'ny maha zanany

Ny fanekena faha-5 eo amin'ny alitara dia ny hoe: "manaiky fa
hampahafantatra azy ny anton'izao batisa izao", ka izany no anisan'ny
nametrahana an-tsoratra izao votoatiny izao ho an-drazoki aoriana, sy
ho an'izay rehetra mety mila izany.

(Marihana moa fa razoki nandritry ny dinidinika dia mandady eran'ny
trano, sady mitabataba ary mitomany rehefa raisina), tsy maditra akory
ny zaza hoy i pasitera fa izay no maha-zaza azy ...

--
Sent from Gmail for mobile | mobile.google.com

DouRiX

Read More »»

Thursday, December 27, 2007

Krismasy 2007 ...

. Thursday, December 27, 2007
0 comments


Zany Razoky rehefa manao krismasy voalohany.

24 desambra: nitsangatsangana teny analakely aloha ny tolakandro, avy teo namonjy sasak'alina tao amin'ny fiangonana ambohitantely, na dia natory aza nandritra ny fotoana.

25 desambra: tamin'ny 7 maraina dia efa taitra, nampamaovin'i dada kotrana (étirement) vao maraina sahala amin'ny mahazatra aloha. Avy eo dia ni-babs "teteta" (nursie 2 + céréale), rehefa avy nihinana fofody (sirop primalon sy zymaduo).

7 ora 58mn: nijery kilalao avy t@ dadabe noely izay efa teo ambany hazo noely (na dia tsy nisy kiraro aza teo), raikitra ny fakana sary teo satria efa mipetraka irery koa moa ny bandy kely.

8 ora 23mn: niomankomana fa handeha hivavaka, jejojejo ery fa hanao gilet sy pataloha velon-drirana volon-tany (beige) tany amin'i Fafara Ranitra. Olana kely moa teto fa tsy tafiditra ny loha ny lobaka tsy mivaky aloha zay vao novidiana, na dia antonona ny vatana aza ny
fahitana azy ;-)

8 ora 50mn: namoaka fiara niaraka amin'i dada, fa hiainga handeha hivavaka amin'ny 9 ora sy sasany ao amin'ny FKPM Ankasina 67ha. Hendry tsara tao am-piangonana, na dia nafana be satria sady nanao noeud maintin'i dada (antonona ka, oups).


Ny antoandro dia teny amin'ny 67ha ihany no nisakafo rehefa avy namangy papi sy mamie.

Ny nahavariana dia tao no nanomboka niteniteny voalohany, raha adika eto dia toy izao: "bdabdabdabdabdabdabda!!!" (sady averimberina foana io hatramin'izao), izay tokoa angamba no tena nahatonga an'ilay hoe mibadabada ...

Tsy adino koa tamin'io andro io ny fakana sary niaraka tamin'i zoky Mikolo (9 volana) sy zandry Mià (13 andro). Tamin'ny 6 ora hariva vao tafody taty an-trano.

Sahala amin'izay ny noelinay 2007, milay an ...

--
Sent from Gmail for mobile | mobile.google.com

DouRiX

Read More »»

Saturday, September 1, 2007

Ala-volo ...

. Saturday, September 1, 2007
0 comments

Teto amin'ny faha-3 volana ihany no nanaovana ny "ala volon-jaza", na ny fanetezana ny volo voalohany, araka ny fomba malagasy. Nohararaotina koa io daty io satria tsingerin-taona nahaterahan'i neni.

Tsy dia tena hay loatra moa ilay tena fomba fa dia notapahina ny volo, dia nifetifety tsotsotra avy teo.

i Tatie Gaëlle (Mimie) no nanala ny volo voalohany, i Tatie Ando kosa no namita avy teo. Hety vao novidiana ny maraina no nampiasaina tamin'io.

Posted by Picasa

Read More »»

Wednesday, August 29, 2007

Minono tanana ...

. Wednesday, August 29, 2007
0 comments


Efa minono tanana indray zao no "style", fikan'i dada taloha hono io no nalaina tahaka (oups)

Fa zany hoe mba falifaly dada sy neni fa tsy dia maditra intsony rehefa minono tanana fa mampatory tena irery, tsy mila rotsirotsiana.

Jereo anie e ...

Posted by Picasa

Read More »»
 

followers