Showing posts with label am-bohoka. Show all posts
Showing posts with label am-bohoka. Show all posts

Thursday, March 8, 2007

CPN herinandro faha 25 ...

. Thursday, March 8, 2007
0 comments

nanao fizahana tany @ MSI indray i neni omaly, salama tsara ialahy.

somary mitaintaina kely fotsiny i neni fa somary mizihitra hono ny
kibo hoy ny dokotera, tsy misy atahorana nefa na izany aza.

--
DouRiX

Read More »»

Monday, March 5, 2007

Vohoka - volana faha-6 ...

. Monday, March 5, 2007
1 comments

Androany 05 martsa no fantatra fa lahy ialahy. Nanao
echographie tany amin'ny MSI i dada sy neni, ary mama Emma no
nampahafantarin'ny dokotera.

Na dia tsy tena naniry hahalala mialoha aza dia faly satria
hoy dokotera hoe "nandresy ny rainy" :)

Enim-bolana an-kibo eo ho eo ialahy ary salama tsara ialahy
ary hita t@ echo daholo ny taova sy ny rantsana rehetra.

Nihestiketsika be sady nandaka be an'i dokotera t@ natao echo
satria tsy tia an'i neni mitsilany hono, sady noana koa
angamba.

Jereo anie ity ambany ity ny compte-rendu an'ny echo e.



Jereo koa i neni falifaly mitantara an'ialahy @ téléphone :)



-- dada & neni

Read More »»
 

followers