Saturday, October 14, 2017

zandry vavy ny ilo andy

. Saturday, October 14, 2017
0 comments

10 taona ilo andy fa miha lehibe. Efa izy irery no manao raharaha ao an-trano dia manentana ankizy. Efa teha azo zandry vavy faharoa antsoina oe"Rafieferantsiaronjy Camille" efa tsapainy foana ny kibo ny neny. Ka raha mahazo zandry ony izy a, dia izy irery no mitaiza an'azy.

Read More »»

Monday, June 2, 2014

Razoki - 7 taona ...

. Monday, June 2, 2014
0 comments

Razoki - 7 taona ...
02-Jona-2007 - 02-Jona-2014, 7 taona razoki; efa taona maromaro no tsy nahasoratana tamin'ny blog. Maro be ny azo tantaraina

- Halava 125cm, lanja 25km, somary ngeza ihany raha oharina amin'ny ankizy hafa mitovy taona aminy.

- mianatra @ La Claire fontaine ivandry nanomboka ny année scolaire 13-14, classe CP (asa na T firy izany na T firy); tena mahay hoy maitresse fa somary be tabataba sy mi participer loatra ka tsy mba mamela ny ankizy sasany hiteny;

- manao musique @ CGM koa izao, 2ème année, manao piano miaraka @ Madame Soavina, raha toa ka nanao flûte sy découverte t@ 1ère année (12-13); efa mahay do re mi :)

- manao art martial koa, "tae kwondo" ao @ club dynamic esca, efa 2è année koa ary ceinture jaune; efa nahazo coupe 2 t@ participation tournois :-) :-)

- manao natation koa ao @ esca, 2ème année koa fa mihato satria mihidy ny piscine fa ririnina; efa mahay milomano style "brasse" (raha tsy diso i dada), sy style "dos" vinaninany;

- tena mpankafy dessins animes tsy laitra, 2-3ora isan'andro raha tsy sakanana, nanomboka t@ ben 10, tom & jerry, la hatr@ bob l'eponge, flash mc queen, ... (ireo aloha no fantatr'i dada :))

- niavaka koa tato ho ato ny filalaovana "billes" any am-pianarana (kanety); havanana koa angamba razoki (na dia tanan'kavia aza :))  fa raha nanomboka tam 4 biĺles t@ voalohany dia manana +50 billes @izao satria mandresy foana any am-pianarana;

(mbola hitohy... :))




Shared from Google Keep

Read More »»

Sunday, June 5, 2011

Ilo Andy - 4 Taona ...

. Sunday, June 5, 2011
0 comments





"J'ai 4 ans ..."
4 taona aho izao, tsy toy ny t@ taona lasa ...

_Vatana:_
- 16kg, 10? Cm, pointure 26/27.
- mitombo tsara, misakafo tsara, fa mbola fahanana aloha hatreto. Tsy miala @ atody ihany no mbola sakafo tiana indrindra.
- Efa matory irery @ fandriana mitokana na dia mbola miray efitra @ dada sy neni aza; @ alina efa mahay mifoha irery mankany @ toilette, dia miverina matory avy eo;
- mazoto mandro, fa midongy rehefa hanasa loha, ary indrindra tsy mety hetezana hany ka efa lava be foana ny volo vao voatapaka;

_Saina:_
- taona faharoa nianarana, fa niverina "petite section" ao @ ecole maternelle les Goelands Androhibe noho ny taona; mahay manisa sy mamaky hatr@ 10 (en français), fa mbola tsy mahay manoratra, mikorontana rehefa mihoatra ny 10; somary mafy loha sy namono ankizy indraindray tany am-pianarana, fa tsy misy hatahorana ny fahaizana hoy Maitresse Vero sy Maitresse Mamie;
- efa tena mahazo izay rehetra resahina, fa eo amin'ny taonan'ilay be fanontaniana be koa, ka izay resahina rehetra dia arahina: "fa maninona?", "dia maninona?", dia miafara amin'ny hoe "Hay!" rehefa azavaina;
- mazoto mianatra, tia lalao, tia manakorontana, ary mafy loha indraindray.

_Fanahy:_
- mazoto mivavaka na dia mananihany aza indraindray, vavaka fanao mety foana na @ sakafo na alohan'ny hatory: "Merci Jesus, Merci pour tout, Amen!"

_Anniversaire:_
Nifanindry t@ ascension ny datin'ny 2-jona t@ity taona 2011 ity, ka nankalazaina ny androtr'io ihany niaraka t@ fianakaviana vitsivitsy. Nidongidongy aloha tamin'ny voalohany fa faly rehefa niara-nilalao tamin'ny ankizy rehetra: Pito, Mimie, Anyah, Alyas, Miranto, Mikolo, Mihà, Diary (Glady), Ariela, Liantsoa, Stan (Razandri), ...

Tena faly koa satria nahazo bisikileta raleigh bleu, efa bisikileta faha-4 io tao anatin'izay 4-taona izay, ny teo aloha sady efa nilaozana no sady simbasimba koa. Ankoatr'izay koa dia nahazo fanomezana maro samihafa, toy ny camion semi-remorque kely, train dinosaures, basy sy fitaovam-piadiana isan-karazany (poignard, menottes, grenades, ...) [soa ihany fa plastique], talkie walkie, puzzle, ...

Dia mbola Mirary Soa hatrany i dada sy neni; hotahian'ny Tompo, hitombo fahaizana sy fahendrena - fa satria ireo no lova tsara indrindra hoy ny Ntaolo ...






Read More »»

Saturday, May 14, 2011

Vakansy à Majunga ...

. Saturday, May 14, 2011
0 comments



Fialan-tsasatra fohy tany mahajanga ny 05-12 may 2011, sady nanao adidy no nanararaotra naka rivo-dranomasina kely. Somary nanavinavy fa lavitra ny lalana sady mafana loatra, fa tsy ela dia niafana.

Rivotra tokoa no nalaina satria nataho-dranomasina fadira-novana razoki, vao entina manantona 3m miala ny moron-drano dia midongy ho any anaty fiara :) Tany Freetown t@ 2009 no nahita ranomasina farany talohan'io.

Amin'ny piscine vao mba mety nilalao tsara.


Read More »»

Sunday, December 26, 2010

Krismasy 2010 ...

. Sunday, December 26, 2010
0 comments

Read More »»

Dec-10 - Mantasoa ...

.
0 comments

Read More »»

3 taona - Mahafinaritra (anecdotes) ...

.
0 comments

Tsy araka intsony ny nanoratra tato @ blog hatr@ nahatongavan-dRazandri t@ 02 Aog (http://twitter.com/arostan). Na izany aza anefa dia mitombo tsara razoki, efa tena miresaka be na saro-kenatra aza indraindray.

Santionantionan'ny resaka mahafinaritra t@ ity 2010 ity (betsaka fa vitsy no voarain'i dada sy neni):

- nihazakazaka tany @ douche razoki, dia nosasana ilay "katilesy" fa hoe maloto hono,
- handeha hamangy fianakaviana nodimandry i dada sy neni: "maty ilay olona? nisy nitifitra t@ basy ilay olona e ..."
-

Voambolana sy fomba fiteny mahafinaritra:
- gôgôsa: bogosy
- bobozelà: vuvuzela (coupe du monde afrique du sud 2010)
- 'nde hi-"cross" be 'za ho any @ maman?
- "tsy mamely dada"
- nividy "vodi-loka" (good look) an tonton Mahefa zay,
- ninana "prom-prom-zé" (composé) 'zay,
- rehefa manontany zavatra ka mamaly neni: "tena mahafantatra mihitsy maman ity an!"
- "hiteny français eo za an",
...

Read More »»
 

followers