Tuesday, September 9, 2008

AndY - heviny ...

. Tuesday, September 9, 2008
3 comments

Raha efa nosoratana teto ny antony nifidianana ny anarako (http://iloandy.blogspot.co/2007/07/ny-anarako_03.html), na koa ny fanazavana ny hoe "Ilo" (http://iloandy.blogspot.co/2007/07/ilo-famaritana.html), dia mba nezahina nokarohina koa hoe avy aiza marina moa ny hoe "AndY" (misy tsindrim-peo ny 'y').

Ny anarana "Andy" dia azo avy tamin'ny fanafohezana ny hoe "Andrew". Izy io dia nipoitra avy tamin'ny anarana grika "Andreas", izay midika hoe "lehilahy" na "lahy" (man, manly). Ny dikany hafa koa izay mifandray amin'izay ihany dia ny hoe mpiantafika, mahery fo (warrior, guerrier), na "matanjaka" (strong).

Anisan'ny anarana be mpanana any Etazonia ny hoe "Andy" (faha-1000 voalohany miakatra hatramin'ny taona 1880) ary lehilahy ny ankamaroan'ny mpanana azy (99.99%).

Raha ao amin'ny Baiboly kristiana, i Andrea (Andrew, André), dia anisan'ny mpianatr'i Jesoa Kristy voalohany niaraka tamin'i Simona Petera rahalahiny, ary iray amin'ireo apostoly 12 lahy (Jaona 1:35).

Marihana fa misy koa ny anarana malagasy "Andy" (tsy misy tsindrim-peo ny 'y'), izay mbola tsy nahitana ny tena loharano nipoirany aloha hatreto.

Dia "ho lehilahy tokoa ialahy leroa" (ry AndY) araka ny voalazan'Ikakibe Do izay, ary enga mba ho anisan'ny mpianatra voalohany hatrany ...

--
Sent from Gmail for mobile | mobile.google.com

DouRiX

Read More »»

Wednesday, September 3, 2008

15 volana ...

. Wednesday, September 3, 2008
1 comments

15 volana katroka (1 taona sy 3 volana) omaly 02 septambra razoky. Milanja eo amin'ny 10kg550 eo (début aug), ary mirefy 83 cm (fin août). Antontonony ny lanja (poids) fa ny halavana (taille) no somary manatombo raha jerena amin'ny fitomboana ankapobeny voalazan'ny manam-pahaizana.

Ny loha angamba no tena mitombo satria nisy akanjo ba 12M izay vao novidiana dia voatery notatahana kely satria tsy tafala intsony fa tsy omby ny loha, na dia antonona tsara aza ny vatana ;-)

Efa miresaka be fa mbola fiteny andrazoki manokana (langage personnel), ka mbola voambolana (vocabulaire) vitsivitsy no azon'i dada sy neni:
- "gnagna": rehefa mangididy na mihanta,
- "mama": rehefa mangataka zavatra
- "io": rehefa manondro

Ankoatra an'izay, ny nify dia 3 zao no efa mipoitra. 2 eo ambany, ary ny faha-3 izay vao mitsiry eo ambony dia ngeza ngeza, mitovitovy amin'ny fitambaran'ilay roa eo ambany, matahotra ny tsy ho zanak'i dada :)

--

Sent from Gmail for mobile | mobile.google.com

DouRiX

Read More »»
 

followers