Wednesday, June 2, 2010

Ilo AndY - 3 taona ...

. Wednesday, June 2, 2010
4 comments


"Happy birthday razoki".

Feno 3 taona anio 2 jona 2010 tokoa i Ilo Andy (na Razoki). Azo lazaina ho vetivety ihany nefa koa efa maro ihany ny zavatra hita sy azo tao anatin'izay.

Raha fintinina dia sahalahala @'izao ankehitrio:

  • refy: 9x cm, ??kg, pointure 25 (fr),
  • efa afaka "couche" efa volana vitsivitsy izay,
  • tsy mety mitafy lamba mihitsy @ alina na dia ati-ririnina aza, hany ka mbola mi-pipi am-pandriana kely tsindraindray noho ny hatsiaka;
  • mbola minono tanana rehefa matory, ary mbola tsy misaraka @'i "donda" (ondana) izay efa 3 taona koa ary somary efa valabalaka ihany;
  • sakafo: tena mazoto homana rehefa hihinana, fa manao an'androny koa anefa; tsy dia tia sakafo be flirony sy tsy mahazatra, hany ka somary manahirana indraindray rehefa mba miditra "restaurant"; ny anisan'ny tena tiana ohatra dia atody ("za baba atody"), concombre ("za baba pôpônga"), yaourt, pommes frites, voa-maina, mofo dipaina sy confiture, mofogasy, ... anisan'ny tena mazoto misotro rano be koa na @ andro mangatsiaka aza;
  • fianarana: efa mazoto mianatra tsara taorian'ilay fijanonana 2 herinandro t@ didim-poitra;
  • havia: tanana ankavia no tena manavanana rehefa manoratra, na mandray sotro, na mandray zavatra hafa - tsy manery moa i dada sy neni satria efa andron'ny fahalalahana izao :)
  • somary saro-kenatra (tahaka an'i dada) sy miavona rehefa vao mahita olona, fa tena mandray tsara rehefa mifankazatra;
  • lalao: be lalao mazava loatra, tia milalao bisikileta, baolina, fiara kely, gorisa (tobogan) sns; ary rehefa mandalo @ jumbo dia tsy manaiky raha tsy mitaingina manège électrique eo ivelany misy helocoptère sy avion;
  • mbola tsy miala @ sary miaina (dessins animés), mpankafy dora, tom & jerry, mickey, ...

Fiarahabana sy firarian-tsoa no ampiarahan'i dada sy neni (mbola matory), @'izao faha-3 taona izao. Ny tso-drano dia ny mba hihoatra an'i dada sy neny ara-pahendrena, ara-pahalana, ara-pahasalamana, ara-pifaliana, ara-(izay mety ho tsara rehetra).

Tsy dia mahasoratra matetika intsony i dada noho ny adidy aman'andraikitra, antenaina fa efa i Razoki no hanohy ny "diarin'i Ilo Andy" atsy ho atsy - indrindra koa moa fa efa ho avy ato ho ato
"Razandry" ... :-)

--
Sent from my mobile device

DouRiX

Read More »»
 

followers