sokajy
- 2 taona (8)
- 3 taona (3)
- am-bohoka (2)
- anarana (4)
- cartoon (1)
- dia (6)
- didim-poitra (1)
- famorana (1)
- firarian-tsoa (4)
- fitomboako (32)
- freetown (7)
- hasoavana (1)
- ilo andy (1)
- lakilasy (1)
- razoki (4)
- samihafa (19)
- sekoly (1)
- tsy foy (2)
- video (3)
- voambolana (1)
Friday, November 13, 2009
Wednesday, September 23, 2009
Lakilasy - fisantarana ...
sokajy: 2 taona, fitomboako, lakilasy, sekoly"qui a eu cette idée folle, un jour d'inventer l'école" …
Anio 23-septambra 2009, no niditra nianatra voalohany Razoki. Raha nitsidika sekoly vitsivitsy manodidina ny fonenana vaovao ety ambohitrarahaba ny omalin'io, dia tapaka hevitra fa hampidirina anio satria efa nanomboka ny taom-pianarana.
Naterin'i dada sy neni, niditra tamin'ny 8 maraina. Mbola tsy nahazo ny fitaovana rehetra fa ny tao anaty kitapo kely dia: akanjo fisolo, gouter, eau vive, couche, mouchoir, … Rehefa avy nikarakara ny antotan-taratasy rehetra dia naterina tao an-dakilasy. Kilasy "petite section", ho an'ny zaza 2 sy 3 taona no nidirana, somary ngeza Razoki noho ireo zaza sasany na dia 2 taona sy 4 volana aza. Nigogogogo tsy laitra nony handeha i dada sy neni.
Tantaran'i "maîtresse" sisa no nahenoana fa teo amin'ny antsasa-kadiny teo vao (dia) nangina; tsy dia azo notambatambazana firy tamin'ny andro voalohany fa "navela nanao izay tiany atao, tsy niaraka tamin'ny ankizy, fa navela nandehandeha teny an-tokotany …" sns. Tamin'ny 11 ora firavana, dia efa miandry eo am-bavahady no hitan'ny mpitsena.
Izany no andro voalohanay tany an-dakilasy, fa dia enga anie ho tody amin'ny ambony indrindra!
Read More »»Thursday, September 17, 2009
2 taona sy 3 volana - Razoki mi-blaogy ...
sokajy: 2 taona(tsy mahita soratana i dada dia anjaran-drazoki indray ny manoratra,
t@ blackberry io, 2 taona sy 3 volana)
Saturday, August 8, 2009
"Mémé" na Sary miaina (Dessins animés) ...
sokajy: 2 taona, cartoon, tsy foyAnisan'ny tena mpankafy "dessins animés" Razoki, indrindra indrindra nandritra izay 5 volana mahery kely tsy naha tany an-tanindrazana azy izay. Tsy misy namana afa-tsy i Neni matetika hany ka fahitalavitra (télé) no fanalana andro, angamba maharitra hatramin'ny 4 ka hatramin'ny 5 ora isan'andro raha vinavinaina!
Rehefa miteny hoe "Mémé" (na "'ôaà") Razoki izay dia tsy maintsy ovaina "dessins animés" ny TV. Ireto no tena "mémé" ankafizin-drazoki, miaraka amin'ny fanononany azy.
Dora The Explorer [ôààh]: voalohany ankafizina na dia somary efa leoleo aza tato ho ato (efa misy kiaka koa ilay "cd" misy azy ny farany), mikakakaka mihitsy indraindray rehefa misy "scène" mahafinaritra. (jereo koa: http://iloandy.blogspot.com/2009/05/23-volana-doo-babii-ooah.html)
Popeye [popei:]: tena hay tsara ny manonona hoe "popei:" (misy "à" @ farany)
Scooby Doo: vao manomboka dia arahina hoe ['bidoo aiaiiou] (Scooby Doo, where are you?)
Tom & Jerry [tô:n'à]: iarahana mankafy amin'i dada sy neni :-)
Johnny Bravo ['avôô]: vao mipoitra ny soratra sy ny feon-kira dia ['avôô à] na dia mbola tsy mahay mamaky teny aza.
Top Cat: tsy dia tiana loatra fa mpandeha matetika, dia jerena ihany satria "mémé" ...
Saturday, July 11, 2009
Voambolana - 2 Taona ...
sokajy: 2 taona, fitomboako, voambolanaEfa maro ny voambolana na fiteny nosoratana teto, apetraka eto ihany ny maromaro/vitsivitsy amin'ny firesak'i razoki amin'izao faha-2 taona izao, mba ho mariky ny fitomboana sy ho fahatsiarovana aoriana. Tsy fitenin-jatovo fa fitenin-jaza ka rehefa azon'i dada sy neni dia izay no zava-dehibe:
- ['voun:a]: asiana savony, rehefa manasa tanana
- [piboo]: kibo
- [babababe]: dadabe
- [toun'dàa]: tongotra
- [ou:nà]: orona
- ['tèn]: bataina
- [tèn-àmamaman]: je t'aime maman
- [tè:nnn]: rehefa anontaniana hoe "how old are you?" (mananihany)
- ['pi'nà]: ampiana
- ['pi:nà]: pihana (jiro, télé, …)
- ['fou:n'dadàa]: tsofina dada a (rehefa mahamay ny sakafo)
- [booki]: boky
- [lôl'lôl'àà]: chocolat
- [ôàa]: dora
- [bô:là]: baolina, na "cheese balls" (marihana fa tena mpankafy "cheese balls" tsy laitra razoki)
- [pépé bouboudii]: hipetraka ny … ( | ) :-)
Bye bye "doo" ee (ondana), bye bye "bibin" ee, bye bye "télé" ee: rehefa faly be fa ho entina mivoaka ny trano handehandeha, dia atao veloma daholo ny kilalao sy ny entana ao an-trano;
Efa misy koa anefa ny tena efa hay ny manonona azy na izany aza, toy ny: dada, neny, maman, tanana, loha, vava, hello, ...
Read More »»Monday, July 6, 2009
2 taona - Jery todika @ alalan'ny sary ...
sokajy: 2 taonaJery todika kely ny fitomboako, amin'ny alalan'ny sary iray isam-bolana, hatramin'ny vao teraka ka hatramin'izao faha-25 volana izao. (Raha tsy misokatra na te hijery lehibebe kokoa dia jereo eto)
Saturday, June 6, 2009
Tuesday, June 2, 2009
02-Jona-2009 - Happy 2 Year's Birthday Razoki …
sokajy: 2 taona, firarian-tsoa, fitomboako, freetown, samihafa Sabotsy 02-Jona-2007 - Talata 02-Jona-2009 - Feno 2 taona anio Ilo Andy Rafieferantsiaronjy, alias Razoki.
Raha misy *firarian-tsoa* dia afaka apetrakao eto (na koa @ rohy "Post a Comment" eto) mba ho solon'ny "boky volamena", sy ho tahiry ho ahy rehefa mahay mamaky teny.
(Mbola tsy manana kaonty @ banky afaka handefasana fanomezana :-)
Mankasitraka sahady amin'ny firarian-tsoa sy tso-drano rehetra.
"Lehibe aho izao, tsy toy ny tamin'ny taona lasa" …
-- ilo AndY
Monday, June 1, 2009
2 taona latsaka 12 ora ...
sokajy: fitomboako, freetownRahampitso 02-Jona-09 no faha-2 taonan-drazoki. Herintaona toy izao koa no nanaovana ny batisa tao amin'ny FJKM Ambohitantely (http://iloandy.blogspot.com/2008/06/batisa.html), fahasoavana in-droa miantaona satria fitomboana ara-batana sy ara-panahy.
Mbola eto Freetown, Sierra-Leone aloha hatreto; ny halavana no tena mitombo, fa ny lanja toa eo ho eo ihany raha atao topi-maso. Tena matanjaka be na izany aza, tsy laitra mihitsy amin'ny fianinkanihana, sy ny fanimbana zavatra.
Mbola mijery "Dora The Explorer" na "dessins animés" (boomrang @ DStv) aloha no androatokon'andro amin'izao. Efa mahay mandefa télé sy DVD mihitsy rehefa hijery Dora. Rehefa tsy izay dia milalao "bibiinàa" (tômôbila kely) na baolina.
Ankoatra ny kilalao dia ireto no tena zavatra ankafizin-drazoki amin'izao:
- Manimba zavatra: ny "voiture téléguidée" vao novidiana 2 herinandro lasa izay dia efa niongotra ny - antenne, miala ny tafo, tapaka ny "pare brise", loaka ny carosserie;
- Misotro rano (na jus), avy eo araraka eraky ny trano, na seza izay tsy lany;
- Manapiaka "prise" (éléctriique) na "interrupteur", manovanova télé;
- Mandrovitra boky na taratasy;
- Misangisangy;
Mba tsy migafy ihany kosa anefa no hain-drazoki na izany aza:
- Efa mahay mametraka "sous plats" ambony latabatra alohan'ny sakafo;
- Efa mahay irahina manary zavatra any amin'ny fitoeram-pako (corbeille);
- Efa tena mahay ary tena tia irahina maka zavatra na mametraka zavatra any an'efitra hafa;
- Efa mahay mivavaka (jereo eto http://iloandy.blogspot.com/2009/03/razoki-mivavaka.html)
- …
Dia efa miarahaba an-drazoki tratry ny tsingerin-taona faharoa (sady miarahaba tena) sahady i dada sy neni …
Sunday, May 3, 2009
23 volana - "Doo", "Babii", "Ôôah" …
sokajy: fitomboako, freetown, razoki, tsy foy02 May 09, faha 23 volana (23ème mensuversaire), mbola eto freetown, sierra-leone; mbola tsy miteny anglisy, na mbola tsy miteny ny marimarina kokoa :) Efa te hiteny mafy fa mbola tsy tafa, na izany aza mba efa manao "hello", "'mo'rning", "bye bye" ...
Ny lanja sy ny refy dia tsy azo an-tsaina aloha hatreto fa mbola tsy nandalo dokotera (soa ihany). Ny kiraro eo @ "pointure" 24 eo izao, satria ny iray 23 (aigle d'or) dia efa mitady tsy ho antonona.
"Tsy foy"
Ireto no zavatra vitsivitsy tena ankafizin-drazoki amin'izao, ary tena tsy foy mihitsy:- "Doo" : izy ity dia ondana kely efa azo hatramin'ny nahaterahana, tsy adino mihitsy rehefa handeha hatory na hipetraka hijery télé, na mandeha milalao aza indraindray. Rehefa manao hoe "doo aa" dia mitady ondana izay ny dikany; Ny tena maha-hafa azy dia izy tsy misy fonony, ary tsy tiana mihitsy raha vao asiana fonony na dia efa makafoka aza;
- "Babii": izy indray dia kilalao azo tamin'ny krismasy tany @ tata Ninah, karazana ombimanga (cerf?) mena abotsina sy azo taingenana toy ny soavaly. Rehefa te ho babena mantsy razoki dia manao hoe "babii aa", hany ka raikitra hoe "babii" ny anaran'ilay kilalao. Mandehandeha mitsambikimbikina miaraka amin'io eran'ny trano no anisan'ny fahafinaretana andavan'andro; ary matetika efa handeha hatory aza dia mbola mandeha "babii" mankeny am-pandriana;
- "Ôôah" ("Dora" na "Dora The Explorer"), ilay horonan-tsary (dessins animés, cartoon) fantatry ny ankizy kely rehetra misy hirahira sy fianarana miteny. Tao anatin'ny herinandro vitsivitsy izay raha vao nahita santionany razoki dia nahazo fy, tsy miala mihitsy maraina, atoandro, hariva; vao mifoha dia "Ôôah Ôôah".
(*) na dia anisan'ny tsy mankasitraka ny fampiasana "p2p" aza i dada dia mba nampiasa "bittorrent" tamin'ity in-dray mitoraka ity nakana "Dora The Explorer - season 1" ho an-drazoki :)
Friday, April 3, 2009
22 volana ...
sokajy: fitomboako, freetown
2 taona latsaka 2 volana razoki @izao, salama tsara sady tomady, somary matanjaka loatra ary ka tsy dia hita mitombo firy.
Somary madiditra koa tato ho ato, amin'ilay tsy misy namana angamba (ankizy resahina sy miara-milalao).
Toy izao indray ny fiovana (na tsy fiovana) tato ho ato:
- tena tia milingilingy sy mianikanika: seza, latabatra, varavarankely; ary mikitikitika: manapika fahitalavitra (tv), manapika jiro, manapiaka "prise" (misy interrupteur daholo ny prise élécrtrique), manokatra sy manidy armoire, varavarankely, ...
- efa manomboka mahay mivavaka amin'izao rehefa alohan'ny sakafo (raha mahay no filaza an'izany), ny tanana mipetaka amin'ny tarehy ihany fa manandrify ny orona sy ny vava kokoa, avy eo mingonongonona tsy misy fantatra, dia mifarana mafy hoe "aanèenn!", soa fa fantatr'i Jesosy ny tiana hambara (jereo anie eto e);
- tato ho ato koa izay dia misotro rano be, ny teny voalohany isa-maraina vao mifoha dia "tsoutsouà" (omeo rano);
- rehefa sabotsy na alahady dia mba entin'i dada sy neni eny amoron-dranomasina (lumley beach, freetown), efa tsy dia matahotra ranomasina intsony amin'izao, ary efa sahy mitsoboka sady tena faly; avy eo apetraka milalao fasika no tena fahafinaretana, feno fasika hatrany antampon-doha ka hatrany anaty salaka (couche).
--
Sent from my mobile device
DouRiX
Read More »»Sunday, March 29, 2009
razoki mivavaka ...
sokajy: freetown, razoki, videozany razoki rehefa mivavaka, patiny fotsiny:
Wednesday, March 4, 2009
21 volana - razoki in freetown ...
sokajy: fitomboako, freetown
21 volana razoki ankehitriny, salama tsara na dia somary nafanafana kely aza teo noho ny fiovan'ny toetr'andro:
- vao mitady hipoitra ny nify faha-9 sy faha-10, vangy amin'ny ilany ambony/havanana, sy ambany/havia, mety hilay ihany satria "symetrique" tsara :)
- efa tena mahazo baiko ary azo irahina maka zavatra (mosoara, kapa, akanjo, kaopy, ...), fa zany hoe baiko amin'ny teny gasy :(
- mbola tsy nolanjaina fa siora hoe nitombo be satria amin'ny mari-drefy "pound" ny fandanjana aty (1 pound = 0.45kg) :)
- ny voam-bolana dia tsy mitsaha-mitombo ary indraindray sady tsy gasy, tsy vazaha, tsy japoney fa an-drazoki irery ihany:
* mémé: te hijery dessins animés
* "doo aaa" na "maman yaa" na "papa yaa": mangataka zavatra,
* doo: ondana kely tsy mety sarahina hatrany tana, ary zary efa makafoka kely (ilay ondana fa tsy razoki) satria tsy manaiky raha vao asiana fonony,
* tsou tsou: hisotro rano
Ankoatr'izay, i dada sy neni no tena vao mizatra ny fiainana eto freetown, amin'ny sakafo, vidin-javatra, sns ; fa ny an-drazoki dia ny omaly tsy miova fa ny toerana fotsiny no nifindra:
- 60% matory,
- 20%: misakafo, milalao, manakorotan-trano, manimba zavatra, migafy,
- ny ambiny: misakafo, milalao, manakorotan-trano, manimba zavatra, migafy,
Mbola azo lazaina hoe tsara ihany aloha ny vokatra satria tao anatin'ny herinandro dia vao vera iray izay no vaky, ary boky vitsivitsy no rovitra. oups ...
--
Sent from my mobile device
DouRiX
Read More »»Monday, February 23, 2009
Fandaozana vetivety an'i Madagasikara ...
sokajy: dia, freetown, samihafa
Soratana eto ihany fa vao sambany, satria raha efa mba tonga lavitra ihany razoki hatreto (antsirabe, alatsinainy bakaro vatomandry, tsiafabositra, ...) hatramin'izay taona vitsivitsy (1,7) niainana izay, dia tonga aty amin'ny 4000 km mahery miala an'i dago amin'izao
fotoana izao.
Nainga tao antananarivo/ivato tamin'ny alakamisy 19 febroary 2009 tamin'ny 12 ora sy 40mn atoandro, tamin'ny zotra KQ501 ; nihazo an'i nairobi (kenya), niato kely ary natory in-1 alina tao ; avy teo nanohy ny dia ny ampitso maraina (20 feb 09 ora sy sasany), nandalo accra (ghana) ary tonga soa aman-tsara tao amin'ny "lungi international airport" (freetown, sierra-leone) ny hariva tamin'ny 4 ora sy sasany.
Io no fisidinana am-piaramanidina voalohany nandehanan-drazoki, nahazo aina tsara teny am-pandehanana, ary nahazo namana tamin'ny mpandeha manodidina mihitsy ny farany satria be lalao sy sangisangy sady mitabataba.
Somary mahavariana sy mahatsikaiky fa avy eo amin'ny aéroport dia mbola miampita rano amin'ny "vedette" ("water taxi" na "ferry" hoy zareo aty) eo amin'ny 20mn eo vao tonga amin'ny tena tanàna eto freetown. Efa somary reraka razoki ka vao narotsirotsin'ny ranomasina dia natory, hatramin'ny nahatongavana taty an-trano, tamin'ny 5 ora tany ho any. Tena ara-bakiteny ilay hoe "ampitan-dranomasina"!
Dia tsara nandroso moa razoki izay (sy dada sy neni, na dia nisy entana 1 tsy tonga aza), enga ka ho tsara miverina ...
--
Sent from my mobile device
DouRiX
Tuesday, February 3, 2009
Taona 2009 - 20 volana ...
sokajy: fitomboakoEfa tapitra ny volana janoary vao mahasoratra i dada, efa taona faharoa diavin-dRazoki ity taona 2009 ity, enga anie ho taona fitomboana vatana, saina, fahendrena sy feno fahasalamana.
20 volana amin'izao, 11kg200 raha nilanja herinandro lasa izay, mirefy 84cm, 49cm ny refin'ny loha. Raha efa salama tanteraka teo dia somary niverina voan'ny sery sy nikohaka indray teo ka natao "analyse" tratra sy avokavoka (poumons) mihitsy.
Mbola mivoatra hatrany ny voambolana hatreto:
- tsotso: te hisotro rano "eau vive", mafana ny andro ka mahalany rano hatramin'ny 1/2 litatra isan'andro, ary tsy tia raha tsy mitohaka amin'ny tavoahangy "eau vive" lehibe mihitsy,
- lany: rehefa mahalany sakafo dia sady manolotra ny biberon vide na vilia vide na fonona biscuit. Marihina moa fa lany daholo zay miainga eo.
- gateau: rehefa mahita na rehefa manokatra frigo dia midongy gateau
- "didi": biscuit
- babababe: dadabe
- ...
Fa ny tena dingana lehibe tato ho ato dia efa mi-kàkà amin'ny "pô" (tavimandry) rehefa maraina, nanomboka tamin'ny 15 janoary 2009 teo. Isa-maraina avy misakafo kelikely no apetraka eo satria mbola zarina, mahazo aina tsara fa ny "pô" ankehitriny moa efa ohatry ny seza mihitsy.
Efa mahazo ny resaka sy zay lazain'i dada sy neni rehetra ka efa azo irahana mihitsy aza indraindray.
Efa mihirahira be sy mandihy koa rehefa mahita hira mihetsiketsika. Asa raha ho mpanakanto hanahaka an'i Bebe ...
--
Sent from my mobile device
DouRiX
Read More »»Thursday, January 8, 2009
fitendrena clavier "style" razoki ...
sokajy: razoki, videoAntenaina mba hanan-talenta @ mozika razoki ka nividianana "clavier" kilalao tamin'ny krismary, izao ny patin'ny fampiasana azy:


