Folo volana indray Razoki amin'izao.
Mitombo ara-dalana sady matanjaka tsara, 9kg teo 10 andro lasa izay. Ny fitenenana dia mbola mijanona eo amin'ny bdabdabda sy ny kiakiaka tsy fantatra ihany aloha hatreo, teo amin'ny hamafisam-peo (volume) no mety nitombo.
Efa mandady tsara sady efa manao "tatà" koa na dia somary mbola mivaralila aza ny fandeha. Ny nify moa dia mbola manangasanga hatrany fa mbola tsy misy tena mipoitra. Mba nividianana irony fitaovana fampaniriana (anneau de dentition) irony fa zary lasa korintsana no niafarany, ny fitoeram-bola (porte feuille) an'I dada sy neni ihany no tena mahafinaritra ny manaikitra azy.
Ny tena spécialité koa dia ny mandaka lamba amin'ny alina, indrindra rehefa maraina manomboka mangatsiaka iny, raha vao tafiana lamba dia mitsipaka.
Ankoatry ny Andy dia efa marobe ireo fiantsoan'I dada sy neni, toy ny: Razoki, bôlida, babaina, baina, ikely, the Rock, baina kely ... asa na tena hahabotrabotra.
--
Sent from Gmail for mobile | mobile.google.com
DouRiX
Read More »»