Showing posts with label anarana. Show all posts
Showing posts with label anarana. Show all posts

Tuesday, September 9, 2008

AndY - heviny ...

. Tuesday, September 9, 2008
3 comments

Raha efa nosoratana teto ny antony nifidianana ny anarako (http://iloandy.blogspot.co/2007/07/ny-anarako_03.html), na koa ny fanazavana ny hoe "Ilo" (http://iloandy.blogspot.co/2007/07/ilo-famaritana.html), dia mba nezahina nokarohina koa hoe avy aiza marina moa ny hoe "AndY" (misy tsindrim-peo ny 'y').

Ny anarana "Andy" dia azo avy tamin'ny fanafohezana ny hoe "Andrew". Izy io dia nipoitra avy tamin'ny anarana grika "Andreas", izay midika hoe "lehilahy" na "lahy" (man, manly). Ny dikany hafa koa izay mifandray amin'izay ihany dia ny hoe mpiantafika, mahery fo (warrior, guerrier), na "matanjaka" (strong).

Anisan'ny anarana be mpanana any Etazonia ny hoe "Andy" (faha-1000 voalohany miakatra hatramin'ny taona 1880) ary lehilahy ny ankamaroan'ny mpanana azy (99.99%).

Raha ao amin'ny Baiboly kristiana, i Andrea (Andrew, André), dia anisan'ny mpianatr'i Jesoa Kristy voalohany niaraka tamin'i Simona Petera rahalahiny, ary iray amin'ireo apostoly 12 lahy (Jaona 1:35).

Marihana fa misy koa ny anarana malagasy "Andy" (tsy misy tsindrim-peo ny 'y'), izay mbola tsy nahitana ny tena loharano nipoirany aloha hatreto.

Dia "ho lehilahy tokoa ialahy leroa" (ry AndY) araka ny voalazan'Ikakibe Do izay, ary enga mba ho anisan'ny mpianatra voalohany hatrany ...

--
Sent from Gmail for mobile | mobile.google.com

DouRiX

Read More »»

Friday, July 20, 2007

Ilo - famaritana ...

. Friday, July 20, 2007
0 comments

Toy izao ny famaritan'i RICHARDSON James, Rev., hita ao amin'ny http://firaketana.org :

Ilo : the purest portion of oil or grease. [Richardson 1885]

Ilo mby an-doha : [mby, there, loha, the head.] The oil on the head. Used in the following phrase: Aza mba mandraraka ilo mby andoha (Do not spill the oil from your head); fig. do not throw away the benefits you have. [Richardson 1885]

Read More »»

Wednesday, July 11, 2007

Ny anarako ...

. Wednesday, July 11, 2007
0 comments


Ilo Andy RAFIEFERANTSIARONJY
, tsara hoy ny olona, mahafatifaty hoy ny sasany, asa na izany tokoa na mba fidokadokafana, na izany na tsy izany tsy nataotao foana ireo anarana ireo fa vokatry ny fikaonan-dohan'i dada sy neni nandritra ny sivy volana (oups).

Voalohany aloha, RAFIEFERANTSIARONJY dia anaran'i dada, satria tokoa antenaina mba hamelo-maso an'i dada sy neni ; ary manarak'izany dia mbola i dada irery no manana io anarana io (eto an-tany) ka tsara raha mba asiana namana.

"Ilo" satria voninahitra, reharehan'i dada sy neni. Ny "ilo", araka ny fahalalana azy, dia karazana menaka manitra fatao amin'ny loha. "Ilo mby an-doha" hoy ny malagasy, izay manambara voninahitra eo amin'ny tena ka mila kajikajiana sy kenakenaina. "Ilo tsy very" hoy ny loha-tenin'ny sari-mihetsika ara-tantara malagasy iray, izay mitantara ny tsy fahaverezan'ny hanitra maha-malagasy na dia teo aza ny fanjanahan-tany frantsay. [...]

"Andy" dia avy tamin'ilay mpamorona sy mpiangaly jazz Andy RAZAF, malagasy fanta-daza indrindra (amin'ireo mpankafy) eo amin'io sehatra io. Reharehan'ny malagasy tokoa io ranamana io satria nanoratra hira jazz maro (standard) anisan'ny fanta-daza (http://en.wikipedia.org/wiki/Andy_Razaf) [...]. Mba ho rehareha sahala amin'izany koa anie "Ilo Andy".

Ankoatry ny heviny, anisan'ny nisafidianana ny fanampin'anarana ny hoe : fohy, mora soratana ary mora tononina (tsipelina), satria mantsy ireo no somary nanahirankirana kely an'i dada teo amin'ny fiainany. Teo koa anefa ny hoe : tsy be mpanana, nefa koa tsy hafa be (extra).

Read More »»

Saturday, June 9, 2007

Ilo Andy RAFIEFERANTSIARONJY ...

. Saturday, June 9, 2007
0 comments


Ilo Andy RAFIEFERANTSIARONJY no anarako, lahy matoan'i dada sy neni, teraka tao @ MSI Avaradoha tamin'ny asabotsy 02 Jona 2007, t@ 3 ora sy 25 min maraina. 2,950 kilao aho tamin'ny teraka, 51 cm, lava be hono fa tsy ohatra an'i dada.

Tamin'ny 11ora alina tonga tao amin'ny MSI i dada sy neni rehefa nisy fambara fa ho avy aho. Teraka soa aman-tsara tamin'ny 3ora sy sasany maraina rehefa avy noentin'i neni nandritra ny 9 volana. Salama tsara tsy misy atahorana hoy ny mpampiteraka rehefa avy nojerena sy nokarakaraina.

Fanomezana lehibe ho an'i neni satria fetin'ny reny ny alahady faha-03 jona.

Posted by Picasa

Read More »»
 

followers