Tontosa soa aman-tsara ny nankalazana ny tsingerintaona voalohany sy ny batisa, korana tsotsotra nanasana fianakaviana sy namana vitsivitsy, tao amin'ny JR restaurant anosivavaka, ny asabotsy 07 jona 2008.
Famintinana:
- 2 ora: fahatongavana, fitsofana "balaonina"
- 3 ora: nanomboka ny fotoana, fotoam-pivavahana fohy sy fisaorana ny mpanotrona, fanokafana tamin'ny hiran'i dada & neni (satria), afindrafindrao
- 03 ora sasany: korana, hirahira/karaoke, dihy, billard, tsakitsaky
- 6 ora sasany: fitsofana labozia sy fizarana mofomamy
- 7 ora: tapaka ny jiro, vavaka famaranana, fifanaovam-beloma, tso-drano sy fanomezana (cadeaux)
Tena faly tokoa razoki satria:
- nandihy sy nilalao balaonina niaraka tamin'ny ankizy rehetra
- rehefa nahita ny jiro maroloko (spot) maty sy mirehitra dia nihorakoraka sy nitehatehaka
- variana rehefa nijery ny labozia sy tainkitana teo ambony mofomamy, sy ny setroka mifangaro taratra jiro,
- nahazo fanomezana be dia be: kilalao (gitara 2, fiarakely 4, ...), akanjo (ambony ambany 4, satroka ba, cache nez, gant), nonours (3), ny baiboly keliko, arendrina, gourmette,
- ...
Koa misaotra betsaka an'ireo izay nanotrona, nirary soa ary koa nanolotra fanomezana. sitraka enti-matory hono, hoy razoki, ka hovaliana rehefa mifoha (matory mantsy razoki eto am-panoratana :).
Nahavariana fa avy ny orana tamin'io takariva io, na dia ati-ririnina tanteraka aza ny andro, tso-drano hoy isika malagasy: "mahaleova mahalasana lehiroa ..."
--
Sent from Gmail for mobile | mobile.google.com
DouRiX
Read More »»