Thursday, December 27, 2007

Krismasy 2007 ...

. Thursday, December 27, 2007
0 comments


Zany Razoky rehefa manao krismasy voalohany.

24 desambra: nitsangatsangana teny analakely aloha ny tolakandro, avy teo namonjy sasak'alina tao amin'ny fiangonana ambohitantely, na dia natory aza nandritra ny fotoana.

25 desambra: tamin'ny 7 maraina dia efa taitra, nampamaovin'i dada kotrana (étirement) vao maraina sahala amin'ny mahazatra aloha. Avy eo dia ni-babs "teteta" (nursie 2 + céréale), rehefa avy nihinana fofody (sirop primalon sy zymaduo).

7 ora 58mn: nijery kilalao avy t@ dadabe noely izay efa teo ambany hazo noely (na dia tsy nisy kiraro aza teo), raikitra ny fakana sary teo satria efa mipetraka irery koa moa ny bandy kely.

8 ora 23mn: niomankomana fa handeha hivavaka, jejojejo ery fa hanao gilet sy pataloha velon-drirana volon-tany (beige) tany amin'i Fafara Ranitra. Olana kely moa teto fa tsy tafiditra ny loha ny lobaka tsy mivaky aloha zay vao novidiana, na dia antonona ny vatana aza ny
fahitana azy ;-)

8 ora 50mn: namoaka fiara niaraka amin'i dada, fa hiainga handeha hivavaka amin'ny 9 ora sy sasany ao amin'ny FKPM Ankasina 67ha. Hendry tsara tao am-piangonana, na dia nafana be satria sady nanao noeud maintin'i dada (antonona ka, oups).


Ny antoandro dia teny amin'ny 67ha ihany no nisakafo rehefa avy namangy papi sy mamie.

Ny nahavariana dia tao no nanomboka niteniteny voalohany, raha adika eto dia toy izao: "bdabdabdabdabdabdabda!!!" (sady averimberina foana io hatramin'izao), izay tokoa angamba no tena nahatonga an'ilay hoe mibadabada ...

Tsy adino koa tamin'io andro io ny fakana sary niaraka tamin'i zoky Mikolo (9 volana) sy zandry Mià (13 andro). Tamin'ny 6 ora hariva vao tafody taty an-trano.

Sahala amin'izay ny noelinay 2007, milay an ...

--
Sent from Gmail for mobile | mobile.google.com

DouRiX

Read More »»

Friday, December 7, 2007

enim-bolana ...

. Friday, December 7, 2007
2 comments

Misasaka sahady ny taona iray. Efa lehibe mintsy ny bandy zao. 7kg600,
nahazo 800g tao anatin'ny 1 volana, tsara hono io fitomboana io hoy ny
dokotera.

Sakafo: efa nanomboka t@ faha-5 volana no nanomboka nihinana sakafo
hafa: niantomboka t@ ranom-boatabia, legumes, ranom-boankazo hafa,
farilac, cerelac, yahourt, ... Ary @'zao efa manomboka miampy hena,
fromage. Dia mazoto homana tokoa moa izany razoki, hoy I dr hoe
atombohy @ 1/4 yaourt, nefa ny 1 aza efa mitady tsy ho ampy. Dia
ajanona fotsiny matetika fa lany daholo zay miainga eo. Oops!

Nify: efa misy nify 1 manomboka mipoitra @ hihy ambony, tsy hitan'I
dada sy neni mihitsy io raha tsy t@ visite tany @ dokotera. Tia
manaikitraikitra arak'izany, taratasy no tena mahafinaritra ny milalao
sy mihinana azy.

Volo: nohetezana fanindroany t@ faha-6 volana, ny eo an-tampon-doha
ihany no tena lava fa ny amin'ny sisiny sy ny ao aoriana tsy dia
maniry, indrindra moa ny manodidina ny handrina ... no comment!

Efa be lalao sy mipelipelika koa ka tsy dia azo avela irery intsony,
efa nanao "chute libre" avy eny ambony fandriana sahady.

Fifidianana ben'ny tanana zao no malaza, hery rafalimanana (tim) sy
andry rajoelina (tgv) no favoris. Rahoviana ary zay vao mba hifidy ?
210 volana sisa (17 taona sy 6m-bolana) ...

--
Sent from Gmail for mobile | mobile.google.com

DouRiX

Read More »»
 

followers