Friday, July 20, 2007

Ilo - famaritana ...

. Friday, July 20, 2007
0 comments

Toy izao ny famaritan'i RICHARDSON James, Rev., hita ao amin'ny http://firaketana.org :

Ilo : the purest portion of oil or grease. [Richardson 1885]

Ilo mby an-doha : [mby, there, loha, the head.] The oil on the head. Used in the following phrase: Aza mba mandraraka ilo mby andoha (Do not spill the oil from your head); fig. do not throw away the benefits you have. [Richardson 1885]

Read More »»

Wednesday, July 11, 2007

Ny anarako ...

. Wednesday, July 11, 2007
0 comments


Ilo Andy RAFIEFERANTSIARONJY
, tsara hoy ny olona, mahafatifaty hoy ny sasany, asa na izany tokoa na mba fidokadokafana, na izany na tsy izany tsy nataotao foana ireo anarana ireo fa vokatry ny fikaonan-dohan'i dada sy neni nandritra ny sivy volana (oups).

Voalohany aloha, RAFIEFERANTSIARONJY dia anaran'i dada, satria tokoa antenaina mba hamelo-maso an'i dada sy neni ; ary manarak'izany dia mbola i dada irery no manana io anarana io (eto an-tany) ka tsara raha mba asiana namana.

"Ilo" satria voninahitra, reharehan'i dada sy neni. Ny "ilo", araka ny fahalalana azy, dia karazana menaka manitra fatao amin'ny loha. "Ilo mby an-doha" hoy ny malagasy, izay manambara voninahitra eo amin'ny tena ka mila kajikajiana sy kenakenaina. "Ilo tsy very" hoy ny loha-tenin'ny sari-mihetsika ara-tantara malagasy iray, izay mitantara ny tsy fahaverezan'ny hanitra maha-malagasy na dia teo aza ny fanjanahan-tany frantsay. [...]

"Andy" dia avy tamin'ilay mpamorona sy mpiangaly jazz Andy RAZAF, malagasy fanta-daza indrindra (amin'ireo mpankafy) eo amin'io sehatra io. Reharehan'ny malagasy tokoa io ranamana io satria nanoratra hira jazz maro (standard) anisan'ny fanta-daza (http://en.wikipedia.org/wiki/Andy_Razaf) [...]. Mba ho rehareha sahala amin'izany koa anie "Ilo Andy".

Ankoatry ny heviny, anisan'ny nisafidianana ny fanampin'anarana ny hoe : fohy, mora soratana ary mora tononina (tsipelina), satria mantsy ireo no somary nanahirankirana kely an'i dada teo amin'ny fiainany. Teo koa anefa ny hoe : tsy be mpanana, nefa koa tsy hafa be (extra).

Read More »»

Tuesday, July 3, 2007

1 volana ...

. Tuesday, July 3, 2007
0 comments

1 volana sahady (4 herinandro), 4kg, 53 cm, ara-dalana ny fitomboana hoy ny dokotera mpanara-maso. Mbola tsy mahay minono hatramin'izao, nozarin'i dada sy neni bibs koa moa koa inona no hisahiranana.

Manomboka maditra amin'ny alina, mitomany lava ary sarotra ampanginina, sahirana i dada sy neni satria tsy fantatra hoe misy maharary sa ahoana, mivadi-bolana hono ...

Toy izao ny fiovana tao anatin'ny 1 volana ...

2007-06 - Ilo Andy - Ny fitomboako ...

Read More »»
 

followers