Saturday, December 27, 2008

krismasy 2008 ...

. Saturday, December 27, 2008
0 comments

Krismasy 2008, 1 taona sy enim-bolana teo, krismasy faharoa ho an-drazoki. Nifoha maraina nijery kilalao, avy eo nivavaka tany ambohitantely, tany an-tokontany hatrany satria naditra be. Avy teo nisakafo tany @ bébé Emma sy dadabe Rabaina, ary ny hariva nilalao sy nitaingina soavaly teny analakely. Ny ampitso 26-desambra vao nanokatra ny kilalao rehetra tao an-trano.

Toy izao ny sary, diso 7 izay mahay, krismasy 2007 vs krismasy 2008 !



Posted by Picasa

Read More »»

Monday, December 15, 2008

18 volana ...

. Monday, December 15, 2008
0 comments

Herintaona sy tapany ny bandy amin'izao. Tratran'ny kohaka sy sery
mahery (bronchiolite) efa ho roa herinandro izay ka somary nihena,
10kg600 raha nilanja. Vao niampy 3 ny nify, ka miisa 7 ny fitambarany
amin'izao, ny vangy ambany ankavia ni mbola tsy mipoitra. Ny kiraro
dia pointure 22 no tena antonona amin'izao, saingy efa nividianan'i
dada sy neni kiraro krismasy pointure 24 somary malalaka fa efa
antonona tsara.

Efa miha-miampy ny voambolana ary mihamivoatra ny fiteny, na dia mbola
tsy tena mazava aza:
- dédé: rehefa te handehandeha,
- bô: baolina,
- aaaan: rehefa mandà,
- babii: rehefa te ho babena,
- baba: sakafo,
- babôô: bravo!
- bap: kapa,
- dôdô: dôdô
- ...

Ankoatry ny mamoha sy manidy varavarana, dia ny mandeha miantsena no
anisan'ny mahafinaritra amin'izao, efa maika haka harona rehefa
hiantsena dia mitondra ny vola sy manome vola ny mpivarotra, dia
miandry izay takalony.

Dia ilay manipitsipy no mbola tsy afaka aloha hatreto ka mafotaka ny
famakiana entana indrindr ny vera sy tavoahangy ...

--
Sent from my mobile device

DouRiX

Read More »»

Sunday, November 2, 2008

17 volana ...

. Sunday, November 2, 2008
0 comments

17 volana katroka ankehitriny, ny nify dia mbola 4 no mipoitra hatreto
(2 ambany, 2 ambony), ilay ankihiben-tanana havanana izay nonoina dia
misy kitro satria voakaikitr'ilay nify vao maniry angamba.

Manomboka tia mianatra sy mamerina ny fihetsika zay hitan'ny maso:

- ny tena tiana izay tato ho ato dia ny maka lakile ary
manatsofotsofoka izany amin'ny tiroir manandrana mamoha,
- ny finday (tél portable) moa dia efa mahazatra ny manao eo amin'ny
sofina rehefa misy miantso ary dia tena miresaka na dia mbola amin'ny
teny tsy fantatra aza,
- ny fihogo rehefa voaray dia efa akasokasoka amin'ny volo,
- raha mahita "cure dent" mipetrapetraka dia efa any ambava hisokisokirana,
- vao manakaiky "prise éléctrique" dia manatsofotsofoka izay fil hita eo,
- rehefa omena zavatra dia mamaly: "tô'tôo" ('saotrô),
- ...

Dia: taorian'i Vatomandry dia efa nandeha nanao fialan-tsasatra tany
Antsiafabositra (Maevatanana, ~260km), ary efa niverina in-3 namonjy
mariazy tany Alatsinainy Bakaro (sy Andohariana).

Handeha hamonjy fetin'ny taranaka any Ampanotokana (Mahitsy) anio raha
tsy misy ny sampona ...

--
Sent from Gmail for mobile | mobile.google.com

DouRiX

Read More »»

Tuesday, September 9, 2008

AndY - heviny ...

. Tuesday, September 9, 2008
3 comments

Raha efa nosoratana teto ny antony nifidianana ny anarako (http://iloandy.blogspot.co/2007/07/ny-anarako_03.html), na koa ny fanazavana ny hoe "Ilo" (http://iloandy.blogspot.co/2007/07/ilo-famaritana.html), dia mba nezahina nokarohina koa hoe avy aiza marina moa ny hoe "AndY" (misy tsindrim-peo ny 'y').

Ny anarana "Andy" dia azo avy tamin'ny fanafohezana ny hoe "Andrew". Izy io dia nipoitra avy tamin'ny anarana grika "Andreas", izay midika hoe "lehilahy" na "lahy" (man, manly). Ny dikany hafa koa izay mifandray amin'izay ihany dia ny hoe mpiantafika, mahery fo (warrior, guerrier), na "matanjaka" (strong).

Anisan'ny anarana be mpanana any Etazonia ny hoe "Andy" (faha-1000 voalohany miakatra hatramin'ny taona 1880) ary lehilahy ny ankamaroan'ny mpanana azy (99.99%).

Raha ao amin'ny Baiboly kristiana, i Andrea (Andrew, André), dia anisan'ny mpianatr'i Jesoa Kristy voalohany niaraka tamin'i Simona Petera rahalahiny, ary iray amin'ireo apostoly 12 lahy (Jaona 1:35).

Marihana fa misy koa ny anarana malagasy "Andy" (tsy misy tsindrim-peo ny 'y'), izay mbola tsy nahitana ny tena loharano nipoirany aloha hatreto.

Dia "ho lehilahy tokoa ialahy leroa" (ry AndY) araka ny voalazan'Ikakibe Do izay, ary enga mba ho anisan'ny mpianatra voalohany hatrany ...

--
Sent from Gmail for mobile | mobile.google.com

DouRiX

Read More »»

Wednesday, September 3, 2008

15 volana ...

. Wednesday, September 3, 2008
1 comments

15 volana katroka (1 taona sy 3 volana) omaly 02 septambra razoky. Milanja eo amin'ny 10kg550 eo (début aug), ary mirefy 83 cm (fin août). Antontonony ny lanja (poids) fa ny halavana (taille) no somary manatombo raha jerena amin'ny fitomboana ankapobeny voalazan'ny manam-pahaizana.

Ny loha angamba no tena mitombo satria nisy akanjo ba 12M izay vao novidiana dia voatery notatahana kely satria tsy tafala intsony fa tsy omby ny loha, na dia antonona tsara aza ny vatana ;-)

Efa miresaka be fa mbola fiteny andrazoki manokana (langage personnel), ka mbola voambolana (vocabulaire) vitsivitsy no azon'i dada sy neni:
- "gnagna": rehefa mangididy na mihanta,
- "mama": rehefa mangataka zavatra
- "io": rehefa manondro

Ankoatra an'izay, ny nify dia 3 zao no efa mipoitra. 2 eo ambany, ary ny faha-3 izay vao mitsiry eo ambony dia ngeza ngeza, mitovitovy amin'ny fitambaran'ilay roa eo ambany, matahotra ny tsy ho zanak'i dada :)

--

Sent from Gmail for mobile | mobile.google.com

DouRiX

Read More »»

Tuesday, August 26, 2008

Fialan-tsasatra Vatomandry ...

. Tuesday, August 26, 2008
0 comments

Miala sasatra kely miaraka amin'i dada sy neni eto Vatomandry.

Tena faly sady nahazo rivotra razoki ary tena variana tamin'ny fahitana ranomasina voalohany. Mbola eto vatomandry amin'ny fotoana anoratana, ary razoki matory tsara, tsy mitafy lamba fa mafana ny andro.

Nanamarika ny fialan-tsasatra:
- matahotra ranomasina fadiranovana, ary tsy mety mandeha na eny amin'ny fasika aza fa tsy maintsy trotroina, ary mamikitra mafy dia mafy,
- teny Antsampanana vao hita fa adino ny akanjon-drazoki izay efa natokan'i neni amin'ny kitapo mitokana, ka voatery nividianana akanjo vitsivitsy teto Vatomandry,
- amin'ny maha fialan-tsasatra dia nampanaranam-po tamin'ny sakafo matsiro isan-karazany (côte, trondro, tsock, pates ...) hany ka somary narary kibo no niafarany,
- tsy mipetraka mihitsy rehefa misakafo fa tsy maintsy mandehandeha eran'ny trano (sahala amin'ilay cousine iray izay, oups), ary tsy maintsy arahi-maso fa raha tsy mianjera dia manjera zavatra,
- nanamarika ny taty koa ny fipoiran'ny nify faharoa ambany, ny ambony mbola vao manangasanga,

Raha fintinina, efa maromaro vitsivitsy ihany ny fisintahana ny renivohitra tao anatin'izay 15 volana latsaka kely izay, ary somary niha-lavitra hatrany:

- Alatsinainy Bakaro (67 km), fandevenana bebe Razafindrazaka, sept 07 (?)
- Ampefy (120 km), fialan-tsasatra, feb 08
- Antsirabe (176 km), asa fitoriana CMA, paska 2008
- Vatomandry (270 km), fialan-tsasatra, aog 08

Rahoviana no ho tonga any amin'ny maherin'ny 1000 km ? :)

--
Sent from Gmail for mobile | mobile.google.com

DouRiX

Read More »»

Friday, August 8, 2008

14 volana - maniry nify ...

. Friday, August 8, 2008
0 comments

Raha efa tany amin'ny 7 volana lasa no hita misy nify manomboka maniry anaty hihy, dia izao vao hita misy iray mipoitra amin'ny ambany afovoany. Somary nisy naratra kely ilay ankihibe nonoina, asa raha voarangotr'ilay nify kely vaovao.

Mahatsikaiky:
- vao nify 1 no mipoitra dia hoy neni hoe "toa sosona izy izany" (somary mivilana tsy tena mahitsy mantsy ilay nify)
- rehefa tezitra razoki dia ny lohany ihany no kapohiny na akapony amin'ny zavatra (coup de tête)
- tia manao "nankaiza ny tanteliko teto" ary tsy manaiky raha tsy averimberina eo foana, mandram-paha reraka.

Ankoatran'izay dia salama na dia somary nafanafana aza tamin'ny fipoiran'ilay nify. Somary mihena hoy ireo tsy mahita isan'andro, mbola tsy voalanja moa volana vitsivitsy lasa izay, fa ny takolaka aloha dia mbola botrabotra hatrany ...

--
Sent from Gmail for mobile | mobile.google.com

DouRiX

Read More »»

Tuesday, July 22, 2008

Deuxième "premiers pas" ...

. Tuesday, July 22, 2008
0 comments

Omaly 21 Jolay (13 volana sy 19 andro eo) vao tena nandeha irery tsy nitazona @izay, somary mbola mivilavila kely, ary mamonjy mihazakazaka maka sisiny rehefa mitady hianjera. Raha 1 volana lasa teo izay no ilay hita nandeha irery voalohany, dia somary nijanona teo fa natahotra angamba, sady somary nanamasaka "équilibre".

Ny maraina nampandehanin'i dada sy tonton mahefa, somary arahina avy ato aoriana sao mianjera, ny hariva efa nanomboka tsy natahotra intsony fa mandeha "irery" manaraka an'i neni miverzivezy eran'ny trano, hatrany an'efitra hatrany an-dakozia, salon.

Jereo anie e ...

--
Sent from Gmail for mobile | mobile.google.com

DouRiX

Read More »»

Thursday, July 3, 2008

Izahay sy ny ...

. Thursday, July 3, 2008
0 comments

Izahay sy ny Télé:

Tsy ny fandaharana rehetra fa misy karazany tonga dia mahavariana ary mijanona mihitsy ny lalao sns rehefa mandeha. Santionany:

- pubs: celtel, la vache qui rit, petit train (mbs), générique pub rta, ...
- hira: ny générique-n'i Muneca Brava, ankilabao (tv plus), rehefa hira mihetsiketsika dia sady manaraka mihetsiketsika koa (ny fitombenana) eo ambony fandriana,
- dessins animés,
- ...

Izahay sy ny Fiara:

Tena tia fiara hatr@ fahakely satria:

- efa hatramin'ny vao teraka dia mora matory rehefa voarotsirotsin'ny fiara,
- taty aoriana nony efa nanomboka nitsangana dia faly dia faly rehefa atsangana eo @ volant, ary efa manao "vroom" sy mikitikitika, tsy laitra raha handefa essuye glace sy clingotant,
- ny tena fifaliana dia rehefa ampofoin'ny dada eo am-pitondrana fiara,

Izahay sy ny Lamba:

Tsy dia tena mpinamana loatra, faran'izay mpandaka lamba amin'ny alina, na dia amin'ny aty ririnina tanteraka aza. Kivy mihitsy i dada sy neni satria mitsipa-damba be amin'ny alina, raha vao tafiana dia vao maika mitsipatsipaka, ary taitra mihitsy raha terena, hany hery dia ny akanjo entina matory no atao matevina :-(

Izahay sy ny Sakafo:

Efa voalaza matetitetika teto ihany fa anisan'ny mazoto homana (mba tsy hilazana hoe tendan-kanina) raha samy zaza, ary tena mahalany na dia somary terena aza indraindray. Ny tena ankafizina dia:

- yaourt,
- rano, jus,
- ny sakafo matsiro fihinan'ny lehibe,
- ...

Izahay sy ny Ankihibe:

Tena tsy mifankafoy satria minono tanana be tsy laitra, nanahaka an'i dada (fony kely), ary mahagaga fa samy ankihibe (n-tanana) ankavanana. Manaranaka ve ny finonoana tanana? (Oups)

Ireo aloha no masaka fa mbola tantarain'i dada sy neni eo ihany izahay
sy ny zavatra hafa aoriana ...

--
Sent from Gmail for mobile | mobile.google.com

DouRiX

Read More »»

1 taona sy 1 volana ...

.
0 comments

Herintaona sy 1 volana ny tary @izao (1+1). Tsy tena araka ny fitomboana ara-batana, indraindray toa ngeza ihany, nefa somary toa mihena koa, ilay manomboka mipelipelika sy mianatra mandeha angamba no mahatonga an'io.

Ny saina koa hita fa tena mivoatra, efa mianatra fihetsika maro: manondro télé, "kokou" (akoho), mampiseho lela, mi-téléphone, manao "bye bye", ... Fa ny tena spécialité hatreto dia mbola ny mitehaka sy ny manao "nankaiza ny tanteliko teto".

Ny fanahy sarotra ny mandrefy fa ny azo ambara aloha hatreto dia mbola entina mivoaka foana rehefa entina am-piangonana fa mitabataba ...

--
Sent from Gmail for mobile | mobile.google.com

DouRiX

Read More »»

Thursday, June 19, 2008

Mandeha irery (premiers pas) ...

. Thursday, June 19, 2008
0 comments

Efa elaela no nianatra nandeha fa mbola nitazotazona na nandeha opala.

Omaly alarobia 18 jona (12 volana sy 16 andro) kosa no nanomboka nianatra ary hita fa nandeha irery voalohany; niantomboka t@ 3 - 4 pas teo, efa nahavita hatr@ 4m eo ho eo teny an-tokotany, na mbola somary mivilavila aza sady arahina akaiky. Faly be i neni izay tena
nanatri-maso satria voalohany nahitana an-drazoki nandeha irery io ka tena nahavariana.

Tso-dranon'i dada sy neni, ara-bakiteny: "soava dia razoki ..."

--
Sent from Gmail for mobile | mobile.google.com

Read More »»

Thursday, June 12, 2008

07 jona 08 - koranam-pankalazana taona voalohany & batisa ...

. Thursday, June 12, 2008
0 comments

Tontosa soa aman-tsara ny nankalazana ny tsingerintaona voalohany sy ny batisa, korana tsotsotra nanasana fianakaviana sy namana vitsivitsy, tao amin'ny JR restaurant anosivavaka, ny asabotsy 07 jona 2008.

Famintinana:
- 2 ora: fahatongavana, fitsofana "balaonina"
- 3 ora: nanomboka ny fotoana, fotoam-pivavahana fohy sy fisaorana ny mpanotrona, fanokafana tamin'ny hiran'i dada & neni (satria), afindrafindrao
- 03 ora sasany: korana, hirahira/karaoke, dihy, billard, tsakitsaky
- 6 ora sasany: fitsofana labozia sy fizarana mofomamy
- 7 ora: tapaka ny jiro, vavaka famaranana, fifanaovam-beloma, tso-drano sy fanomezana (cadeaux)

Tena faly tokoa razoki satria:
- nandihy sy nilalao balaonina niaraka tamin'ny ankizy rehetra
- rehefa nahita ny jiro maroloko (spot) maty sy mirehitra dia nihorakoraka sy nitehatehaka
- variana rehefa nijery ny labozia sy tainkitana teo ambony mofomamy, sy ny setroka mifangaro taratra jiro,
- nahazo fanomezana be dia be: kilalao (gitara 2, fiarakely 4, ...), akanjo (ambony ambany 4, satroka ba, cache nez, gant), nonours (3), ny baiboly keliko, arendrina, gourmette,
- ...

Koa misaotra betsaka an'ireo izay nanotrona, nirary soa ary koa nanolotra fanomezana. sitraka enti-matory hono, hoy razoki, ka hovaliana rehefa mifoha (matory mantsy razoki eto am-panoratana :).

Nahavariana fa avy ny orana tamin'io takariva io, na dia ati-ririnina tanteraka aza ny andro, tso-drano hoy isika malagasy: "mahaleova mahalasana lehiroa ..."

--
Sent from Gmail for mobile | mobile.google.com

DouRiX

Read More »»

Wednesday, June 11, 2008

Herintaona ...

. Wednesday, June 11, 2008
0 comments


"Herintaona aho izao, tsy toy ny tamin'ny taona lasa ..."

- efa miresaka be, fa mbola tsy miteny,
- efa mitsako, fa mbola tsisy nify,
- efa mandeha, fa mbola tantanana na manara-drindrina,
- efa manomboka mihinana ny fihinan'ny olon-dehibe: vary sosoa, pommes frites, mofogasy, saosisy, steak, gateau, mofo dipaina, ...
mitanintanina rehefa mihinana dada & neni ary tsy manaiky raha tsy omena ary mahalany betsaka,
- efa mihetsiketsika mandihy ary mitehatehaka rehefa faly,
- efa mijery tele, dessins animés sy hirahira no tena mahavariana,
- efa mikapoka koa rehefa tezitra, ary somary kizitina indraindray,

Herintaonna aho izao, tsy toy ny tamin'ny taona lasa ...

--
Sent from Gmail for mobile | mobile.google.com

DouRiX

Read More »»

Monday, June 2, 2008

02 Jona 2008 - 1er anniversaire - firarian-tsoa ...

. Monday, June 2, 2008
14 comments

Sabotsy 02 Jona 2007 - Alatsinainy 02 Jona 2007, tsingerin-taona voalohany nahaterahan'i Ilo Andy alias Razoki.

Ny omalin'io koa, alahady 01 Jona 2008, 01 taona latsaka 01 andro, no nanaovana ny batisa.

Ankasitrahana ny fametrahanao izay mitsidika firarian-tsoa (voeux, wishes) eto ho an-drazoki, na Ilo Andy. Ampidiro amin'ny rohy (lien) eto ambany: "Comments" ny firarian-tsoa.

Satria ny teny hono manidina, fa ny soratra mitoetra ...

--
Sent from Gmail for mobile | mobile.google.com

DouRiX

Read More »»

Sunday, June 1, 2008

Batisa ...

. Sunday, June 1, 2008
0 comments

Vita androany Alahady 01 Jona 2008 tao amin'ny FJKM Ambohitantely ny
batisa. I Pasteur Rakotonavalona Maholy no nanantanteraka izany.

Tamin'ny 10 ora no niditra ny fiangonana, somary fenofeno ny
fiangonana satria sady fanomamana ny fanokafana ny faha-145 taonan'ny
fiangonana, izay hankalazaina mandritra ny volana Jona iray manontolo.

Mipelipelika sy mitehatehaka teo amin'ny tena fotoanan'ny batisa.
Mifindrafindra eny amin'i dada sy neni fa tsy mahatombina. Somary
nitomany kely sady nanilika ny tanan'i pastera tamin'ilay
nametrahan-tanana.

Vao vita ny batisa dia efa tany an-tokontany indray aloha niaraka
amin'i Miharv fa nanomboka mitabataba ...

--
Sent from Gmail for mobile | mobile.google.com

DouRiX

Read More »»

Friday, May 30, 2008

Fanomanana @ batisa ...

. Friday, May 30, 2008
0 comments

Alakamisy 29 May 2008 t@ 6 ora sy 40mn, fihaonana fohy niarahana t@
pasteur Maholy tao Ambohitantely ho fanomanam-panahy ny amin'ny
hanaovana batisa an-drazoki ny Alahady 02 Jona.

Antony telo hoy pasitera no hanaovana ny batisa, izay samy manambara
ny maha zanak'Andriamanitra:

1. Fitiavan'Andriamanitra
2. Famelan-keloka: tsy ny heloka efa vita (ihany akory) fa efa
famelan-keloka sahady amin'ny fahotana aoriana
3. Fiarovana avy amin'Andriamanitra amin'ny maha zanany

Ny fanekena faha-5 eo amin'ny alitara dia ny hoe: "manaiky fa
hampahafantatra azy ny anton'izao batisa izao", ka izany no anisan'ny
nametrahana an-tsoratra izao votoatiny izao ho an-drazoki aoriana, sy
ho an'izay rehetra mety mila izany.

(Marihana moa fa razoki nandritry ny dinidinika dia mandady eran'ny
trano, sady mitabataba ary mitomany rehefa raisina), tsy maditra akory
ny zaza hoy i pasitera fa izay no maha-zaza azy ...

--
Sent from Gmail for mobile | mobile.google.com

DouRiX

Read More »»

Thursday, May 15, 2008

11 volana ...

. Thursday, May 15, 2008
0 comments


11 volana tamin'ny 02 may 08 teo, na dia efa sy sasany aza amin'ny fotoana anoratana. Ny lanja moa tsy dia voamarina tsara fa vinavinaina ho 10kg na latsaka kely eo angamba amin'izao.

Mbola mivoatra hatrany koa hatreto satria:
- efa mihazakazaka be rehefa alefa @ opala (zao ve ny fanoratra opala) na rehefa atao tàtà,
- efa miteniteny be (sady mafy) na dia tsisy fantatra aza izay lazaina, rehefa any am-piangonana no tena manahirana ka mila entina mivoaka matetika mandritra ny androantokon'ny fotona, asa na ilay mbola tsy vita batisa no mahatonga izany :-)
- tia mitehatehaka koa ka indraindray na mitomany aza dia sady mitehaka (izany angamba no ramomasom-pifalianan-jaza, oups)
- mbola mazoto homana hatrany, in-6 mihinana eo isan'andro (miaraka @ gouter), na i dada aza mbola gaga indraindray rehefa sendra mamahana
- efa hita hoe manomboka be lalao koa ka ny misintona sy manjeranjera zavatra no tena mahafinaritra amin'izany. Nahazo berceau/park somary avoavo @izao (merci à tonton/tàtà) ka ao no apetraka rehefa sahirana dada sy neni, mitomany be tamin'ny voalohany fa efa manomboka zatra milalao irery ao amin'izao,
- azo lazaina hoe matanjaka koa satria manjera rideau, manjera seza, manisaka fitoeran-damba maloto feno entana, mianjera miaraka @ opala, ...

Ny nify no mbola tsy mipoitra hatreto, efa anaovan'i neni fen'akoho foana hokikikikisana fa iny hono no mampaniry azy haingana, tsy dia tian-drazoki anefa izy io ka i dada matetika no mamarana azy ...

--
Sent from Gmail for mobile | mobile.google.com

DouRiX

Read More »»

Saturday, April 5, 2008

10 volana ...

. Saturday, April 5, 2008
0 comments

Folo volana indray Razoki amin'izao.

Mitombo ara-dalana sady matanjaka tsara, 9kg teo 10 andro lasa izay. Ny fitenenana dia mbola mijanona eo amin'ny bdabdabda sy ny kiakiaka tsy fantatra ihany aloha hatreo, teo amin'ny hamafisam-peo (volume) no mety nitombo.

Efa mandady tsara sady efa manao "tatà" koa na dia somary mbola mivaralila aza ny fandeha. Ny nify moa dia mbola manangasanga hatrany fa mbola tsy misy tena mipoitra. Mba nividianana irony fitaovana fampaniriana (anneau de dentition) irony fa zary lasa korintsana no niafarany, ny fitoeram-bola (porte feuille) an'I dada sy neni ihany no tena mahafinaritra ny manaikitra azy.

Ny tena spécialité koa dia ny mandaka lamba amin'ny alina, indrindra rehefa maraina manomboka mangatsiaka iny, raha vao tafiana lamba dia mitsipaka.

Ankoatry ny Andy dia efa marobe ireo fiantsoan'I dada sy neni, toy ny: Razoki, bôlida, babaina, baina, ikely, the Rock, baina kely ... asa na tena hahabotrabotra.


--
Sent from Gmail for mobile | mobile.google.com

DouRiX

Read More »»

Sunday, March 2, 2008

9 volana ...

. Sunday, March 2, 2008
0 comments


Sivy volana indray ny tary androany, 18 volana izany niaraka t@ tany
an-kibo :-) Saika adinon'i dada sy neni fa samy variana. Nandeha
nivavaka tany ambohitantely tamin'ny maraina, na dia tany antokontany
niaraka tamin'i Miharv aza ny androantokon'andro satria mitabataba.

8kg600 eo amin'izao, 72,5cm (2 andro lasa izay), tsy dia nitombo loatra noho ny tamin'ny iray volana, nihena kely mihitsy angamba satria voan'ny sery sy nikohaka be teo.

Ny zavatra fatao amin'izao dia:

- mitsangana mianika ambony ondana eo an-doham-pandriana dia
mikapokapoka rindrina eo

- raha tsy izay dia mitabataba (mibadabada mantsy e) sady mitehatehaka

- efa miha-mahay mandady koa fa ilay toerana handadizana no tsy misy
- rehefa misy pub celtel koa amin'ny télé dia mijanona tsy milalao fa mijery aloha (soa fa celtel, oups)
- tsy afaka ajanona irery anaty berceau intsony koa fa efa tafarina sy tafatsangana, ka atahorana hiongana aty ivelany.

Fa ny nify no tena mbola tsy misy hatramin'izao, matoa hono tara dia tsara (sa ngeza) ...

--
Sent from Gmail for mobile | mobile.google.com

DouRiX

Read More »»

Tuesday, February 5, 2008

8 volana ...

. Tuesday, February 5, 2008
0 comments

Volana febroary 2008 indray, 8 volana sahady (sa vao 8 volana),

8kg/71,5cm teo tamin'ny faha-fito volana fa tsy voasoratra teto,
vinavinaina ho 8kg sy 500 eo ho eo ankehitriny (enga anie).

Fitomboana:
- mbola tsy mahay mandady tsara, fa sahala amin'ny manao paompy izany
aloha, ny tongotra efa mety fa ny tanana no tsy mahay mamindra hany ka
raha vao te handroso dia mitsoraka ny orona no taloha ; matanjaka
anefa na izany aza ka raha vao misy zavatra tiana takarina dia tsy
maintsy tratra
- mitady efa hitsangana anefa rehefa tazonina, ny tongotra efa mety
hahazaka fa tsy avela sao "bancal" (bingo)
- efa faly be rehefa tonga avy miasa dada, mitomany indraindray rehefa
ilaozana,
- tena tia sangisangiana

Sakafo: sahala amin'izao ny sakafo amin'izao:
- 7ora: teteta (nursie2) + fanafody (primalam sy zymaduo)
- 9ora: gouter yaourt nature + biscotte
- 11ora: sakafo antoandro, légumes mixées mifangaro (toa efa misy vary
mena kely koa, neni no mahay ny antsipiriany) miampy poires 2 atao
compote
- 3ora tolakandro: gouter yaourt na voankazo (compote)
- 7ora hariva: légumes indray, miampy voankazo ary farilac
indraindray, tsy dia tia teteta intsony fa efa zatra sotro angamba
- efa mihinana biscuit koa na dia mbola tsy misy nify aza,
tsetsitsetsitra no ady eo, mahalany hatramin'ny mini goutty iray
(fonosana) eo raha tsy sakanana.
- ny jus moa efa tsy mila tazonina intsony indraindray fa efa mahay
misotro irery :)


--
Sent from Gmail for mobile | mobile.google.com

DouRiX

Read More »»
 

followers