Friday, August 8, 2008

14 volana - maniry nify ...

. Friday, August 8, 2008

Raha efa tany amin'ny 7 volana lasa no hita misy nify manomboka maniry anaty hihy, dia izao vao hita misy iray mipoitra amin'ny ambany afovoany. Somary nisy naratra kely ilay ankihibe nonoina, asa raha voarangotr'ilay nify kely vaovao.

Mahatsikaiky:
- vao nify 1 no mipoitra dia hoy neni hoe "toa sosona izy izany" (somary mivilana tsy tena mahitsy mantsy ilay nify)
- rehefa tezitra razoki dia ny lohany ihany no kapohiny na akapony amin'ny zavatra (coup de tĂȘte)
- tia manao "nankaiza ny tanteliko teto" ary tsy manaiky raha tsy averimberina eo foana, mandram-paha reraka.

Ankoatran'izay dia salama na dia somary nafanafana aza tamin'ny fipoiran'ilay nify. Somary mihena hoy ireo tsy mahita isan'andro, mbola tsy voalanja moa volana vitsivitsy lasa izay, fa ny takolaka aloha dia mbola botrabotra hatrany ...

--
Sent from Gmail for mobile | mobile.google.com

DouRiX

0 comments:

 

followers