Thursday, July 3, 2008

Izahay sy ny ...

. Thursday, July 3, 2008

Izahay sy ny Télé:

Tsy ny fandaharana rehetra fa misy karazany tonga dia mahavariana ary mijanona mihitsy ny lalao sns rehefa mandeha. Santionany:

- pubs: celtel, la vache qui rit, petit train (mbs), générique pub rta, ...
- hira: ny générique-n'i Muneca Brava, ankilabao (tv plus), rehefa hira mihetsiketsika dia sady manaraka mihetsiketsika koa (ny fitombenana) eo ambony fandriana,
- dessins animés,
- ...

Izahay sy ny Fiara:

Tena tia fiara hatr@ fahakely satria:

- efa hatramin'ny vao teraka dia mora matory rehefa voarotsirotsin'ny fiara,
- taty aoriana nony efa nanomboka nitsangana dia faly dia faly rehefa atsangana eo @ volant, ary efa manao "vroom" sy mikitikitika, tsy laitra raha handefa essuye glace sy clingotant,
- ny tena fifaliana dia rehefa ampofoin'ny dada eo am-pitondrana fiara,

Izahay sy ny Lamba:

Tsy dia tena mpinamana loatra, faran'izay mpandaka lamba amin'ny alina, na dia amin'ny aty ririnina tanteraka aza. Kivy mihitsy i dada sy neni satria mitsipa-damba be amin'ny alina, raha vao tafiana dia vao maika mitsipatsipaka, ary taitra mihitsy raha terena, hany hery dia ny akanjo entina matory no atao matevina :-(

Izahay sy ny Sakafo:

Efa voalaza matetitetika teto ihany fa anisan'ny mazoto homana (mba tsy hilazana hoe tendan-kanina) raha samy zaza, ary tena mahalany na dia somary terena aza indraindray. Ny tena ankafizina dia:

- yaourt,
- rano, jus,
- ny sakafo matsiro fihinan'ny lehibe,
- ...

Izahay sy ny Ankihibe:

Tena tsy mifankafoy satria minono tanana be tsy laitra, nanahaka an'i dada (fony kely), ary mahagaga fa samy ankihibe (n-tanana) ankavanana. Manaranaka ve ny finonoana tanana? (Oups)

Ireo aloha no masaka fa mbola tantarain'i dada sy neni eo ihany izahay
sy ny zavatra hafa aoriana ...

--
Sent from Gmail for mobile | mobile.google.com

DouRiX

0 comments:

 

followers