Ilo Andy RAFIEFERANTSIARONJY, tsara hoy ny olona, mahafatifaty hoy ny sasany, asa na izany tokoa na mba fidokadokafana, na izany na tsy izany tsy nataotao foana ireo anarana ireo fa vokatry ny fikaonan-dohan'i dada sy neni nandritra ny sivy volana (oups).
Voalohany aloha, RAFIEFERANTSIARONJY dia anaran'i dada, satria tokoa antenaina mba hamelo-maso an'i dada sy neni ; ary manarak'izany dia mbola i dada irery no manana io anarana io (eto an-tany) ka tsara raha mba asiana namana.
"Ilo" satria voninahitra, reharehan'i dada sy neni. Ny "ilo", araka ny fahalalana azy, dia karazana menaka manitra fatao amin'ny loha. "Ilo mby an-doha" hoy ny malagasy, izay manambara voninahitra eo amin'ny tena ka mila kajikajiana sy kenakenaina. "Ilo tsy very" hoy ny loha-tenin'ny sari-mihetsika ara-tantara malagasy iray, izay mitantara ny tsy fahaverezan'ny hanitra maha-malagasy na dia teo aza ny fanjanahan-tany frantsay. [...]
"Andy" dia avy tamin'ilay mpamorona sy mpiangaly jazz Andy RAZAF, malagasy fanta-daza indrindra (amin'ireo mpankafy) eo amin'io sehatra io. Reharehan'ny malagasy tokoa io ranamana io satria nanoratra hira jazz maro (standard) anisan'ny fanta-daza (http://en.wikipedia.org/wiki/Andy_Razaf) [...]. Mba ho rehareha sahala amin'izany koa anie "Ilo Andy".
Ankoatry ny heviny, anisan'ny nisafidianana ny fanampin'anarana ny hoe : fohy, mora soratana ary mora tononina (tsipelina), satria mantsy ireo no somary nanahirankirana kely an'i dada teo amin'ny fiainany. Teo koa anefa ny hoe : tsy be mpanana, nefa koa tsy hafa be (extra).
Wednesday, July 11, 2007
Ny anarako ...
Subscribe to:
Post Comments (Atom)
0 comments:
Post a Comment