Saturday, August 8, 2009

"Mémé" na Sary miaina (Dessins animés) ...

. Saturday, August 8, 2009

Anisan'ny tena mpankafy "dessins animés" Razoki, indrindra indrindra nandritra izay 5 volana mahery kely tsy naha tany an-tanindrazana azy izay. Tsy misy namana afa-tsy i Neni matetika hany ka fahitalavitra (télé) no fanalana andro, angamba maharitra hatramin'ny 4 ka hatramin'ny 5 ora isan'andro raha vinavinaina!


Rehefa miteny hoe "Mémé" (na "'ôaà") Razoki izay dia tsy maintsy ovaina "dessins animés" ny TV. Ireto no tena "mémé" ankafizin-drazoki, miaraka amin'ny fanononany azy.



  • Popeye [popei:]: tena hay tsara ny manonona hoe "popei:" (misy "à" @ farany)




  • Scooby Doo: vao manomboka dia arahina hoe ['bidoo aiaiiou] (Scooby Doo, where are you?)






  • Tom & Jerry [tô:n'à]: iarahana mankafy amin'i dada sy neni :-)







  • Johnny Bravo ['avôô]: vao mipoitra ny soratra sy ny feon-kira dia ['avôô à] na dia mbola tsy mahay mamaky teny aza.






  • Top Cat: tsy dia tiana loatra fa mpandeha matetika, dia jerena ihany satria "mémé" ...













1 comments:

Kalaneny said...

Dia tonga indray aho mitsidika, manao ahoana zay i zazà ? mno aho fa mitombo tsara, mahafinaritra mihitsy ny miditra ato. Dia mazotoa manoratra foana razoki fa faly ery ny mpanaraka mamaky azy. Mandrampanoratra indray ary e ! maniry soa !

 

followers