Efa tapitra ny volana janoary vao mahasoratra i dada, efa taona faharoa diavin-dRazoki ity taona 2009 ity, enga anie ho taona fitomboana vatana, saina, fahendrena sy feno fahasalamana.
20 volana amin'izao, 11kg200 raha nilanja herinandro lasa izay, mirefy 84cm, 49cm ny refin'ny loha. Raha efa salama tanteraka teo dia somary niverina voan'ny sery sy nikohaka indray teo ka natao "analyse" tratra sy avokavoka (poumons) mihitsy.
Mbola mivoatra hatrany ny voambolana hatreto:
- tsotso: te hisotro rano "eau vive", mafana ny andro ka mahalany rano hatramin'ny 1/2 litatra isan'andro, ary tsy tia raha tsy mitohaka amin'ny tavoahangy "eau vive" lehibe mihitsy,
- lany: rehefa mahalany sakafo dia sady manolotra ny biberon vide na vilia vide na fonona biscuit. Marihina moa fa lany daholo zay miainga eo.
- gateau: rehefa mahita na rehefa manokatra frigo dia midongy gateau
- "didi": biscuit
- babababe: dadabe
- ...
Fa ny tena dingana lehibe tato ho ato dia efa mi-kàkà amin'ny "pô" (tavimandry) rehefa maraina, nanomboka tamin'ny 15 janoary 2009 teo. Isa-maraina avy misakafo kelikely no apetraka eo satria mbola zarina, mahazo aina tsara fa ny "pô" ankehitriny moa efa ohatry ny seza mihitsy.
Efa mahazo ny resaka sy zay lazain'i dada sy neni rehetra ka efa azo irahana mihitsy aza indraindray.
Efa mihirahira be sy mandihy koa rehefa mahita hira mihetsiketsika. Asa raha ho mpanakanto hanahaka an'i Bebe ...
--
Sent from my mobile device
DouRiX
0 comments:
Post a Comment