"Happy birthday razoki".
Feno 3 taona anio 2 jona 2010 tokoa i Ilo Andy (na Razoki). Azo lazaina ho vetivety ihany nefa koa efa maro ihany ny zavatra hita sy azo tao anatin'izay.
Raha fintinina dia sahalahala @'izao ankehitrio:
- refy: 9x cm, ??kg, pointure 25 (fr),
- efa afaka "couche" efa volana vitsivitsy izay,
- tsy mety mitafy lamba mihitsy @ alina na dia ati-ririnina aza, hany ka mbola mi-pipi am-pandriana kely tsindraindray noho ny hatsiaka;
- mbola minono tanana rehefa matory, ary mbola tsy misaraka @'i "donda" (ondana) izay efa 3 taona koa ary somary efa valabalaka ihany;
- sakafo: tena mazoto homana rehefa hihinana, fa manao an'androny koa anefa; tsy dia tia sakafo be flirony sy tsy mahazatra, hany ka somary manahirana indraindray rehefa mba miditra "restaurant"; ny anisan'ny tena tiana ohatra dia atody ("za baba atody"), concombre ("za baba pôpônga"), yaourt, pommes frites, voa-maina, mofo dipaina sy confiture, mofogasy, ... anisan'ny tena mazoto misotro rano be koa na @ andro mangatsiaka aza;
- fianarana: efa mazoto mianatra tsara taorian'ilay fijanonana 2 herinandro t@ didim-poitra;
- havia: tanana ankavia no tena manavanana rehefa manoratra, na mandray sotro, na mandray zavatra hafa - tsy manery moa i dada sy neni satria efa andron'ny fahalalahana izao :)
- somary saro-kenatra (tahaka an'i dada) sy miavona rehefa vao mahita olona, fa tena mandray tsara rehefa mifankazatra;
- lalao: be lalao mazava loatra, tia milalao bisikileta, baolina, fiara kely, gorisa (tobogan) sns; ary rehefa mandalo @ jumbo dia tsy manaiky raha tsy mitaingina manège électrique eo ivelany misy helocoptère sy avion;
- mbola tsy miala @ sary miaina (dessins animés), mpankafy dora, tom & jerry, mickey, ...
Fiarahabana sy firarian-tsoa no ampiarahan'i dada sy neni (mbola matory), @'izao faha-3 taona izao. Ny tso-drano dia ny mba hihoatra an'i dada sy neny ara-pahendrena, ara-pahalana, ara-pahasalamana, ara-pifaliana, ara-(izay mety ho tsara rehetra).
Tsy dia mahasoratra matetika intsony i dada noho ny adidy aman'andraikitra, antenaina fa efa i Razoki no hanohy ny "diarin'i Ilo Andy" atsy ho atsy - indrindra koa moa fa efa ho avy ato ho ato
"Razandry" ... :-)

--
Sent from my mobile device
DouRiX

4 comments:
Joyeux anniversaire ny zanako! Dia hotahian'ny Tompo mandrakariva! Mitomboa fahendrena, fahalalana, fahasalamana,... Diso kely dada etsy ambony fa efa tsy minono tanana intsony zao, sady tsy dia sarotra ny niala t@ zany satria isaky ny hinono dia i Andy ihany no milaza hoe "tsy minono tanana intsony moa fa efa lehibe"! Bisous bdb avy aty @ Neni.
Arabaina letsy Andy a, sady sitrana soamatsara ny fery no nitombo taona. Dia hitombo saina, vatana, fanahy hatrany. Bisou be koa ozy Miah zandry kely.
Miah, Tati m'Ando & Dafara Davih
Joyeux anniversaire Razoki!!10:57 am
------ SMS ------
From: +26133XXXX511
Sent: Jun 2, 2010 11:59
Subject: Joyeux anniversaire Andy.
Joyeux anniversaire Andy. 3taona,mbola ho lava ny lalana,soavadia elah! well vel. biz
------ SMS ------
From: +26133xxxx510
Sent: Jun 2, 2010 17:28
Subject: joyeux anniversaire AndY!
joyeux anniversaire AndY! Enga anie iara hitombo @ taonan'ialahy ny saina,vatana,fanahy. miroton miroten. ikakibedo
------ SMS ------
From: +26133xxxx510
Sent: Jun 2, 2010 17:32
Subject: AndY!
AndY! Miala tsiny ikakibedo fa tsy afaka hanotrona ny fety am sabotsy an! fa mangataka le hira oe tsiki2 ihany fotsiny atao amn'io fety io.lol. mirary soa e
Post a Comment