"J'ai 4 ans ..."
4 taona aho izao, tsy toy ny t@ taona lasa ...
_Vatana:_
- 16kg, 10? Cm, pointure 26/27.
- mitombo tsara, misakafo tsara, fa mbola fahanana aloha hatreto. Tsy miala @ atody ihany no mbola sakafo tiana indrindra.
- Efa matory irery @ fandriana mitokana na dia mbola miray efitra @ dada sy neni aza; @ alina efa mahay mifoha irery mankany @ toilette, dia miverina matory avy eo;
- mazoto mandro, fa midongy rehefa hanasa loha, ary indrindra tsy mety hetezana hany ka efa lava be foana ny volo vao voatapaka;
_Saina:_
- taona faharoa nianarana, fa niverina "petite section" ao @ ecole maternelle les Goelands Androhibe noho ny taona; mahay manisa sy mamaky hatr@ 10 (en français), fa mbola tsy mahay manoratra, mikorontana rehefa mihoatra ny 10; somary mafy loha sy namono ankizy indraindray tany am-pianarana, fa tsy misy hatahorana ny fahaizana hoy Maitresse Vero sy Maitresse Mamie;
- efa tena mahazo izay rehetra resahina, fa eo amin'ny taonan'ilay be fanontaniana be koa, ka izay resahina rehetra dia arahina: "fa maninona?", "dia maninona?", dia miafara amin'ny hoe "Hay!" rehefa azavaina;
- mazoto mianatra, tia lalao, tia manakorontana, ary mafy loha indraindray.
_Fanahy:_
- mazoto mivavaka na dia mananihany aza indraindray, vavaka fanao mety foana na @ sakafo na alohan'ny hatory: "Merci Jesus, Merci pour tout, Amen!"
_Anniversaire:_
Nifanindry t@ ascension ny datin'ny 2-jona t@ity taona 2011 ity, ka nankalazaina ny androtr'io ihany niaraka t@ fianakaviana vitsivitsy. Nidongidongy aloha tamin'ny voalohany fa faly rehefa niara-nilalao tamin'ny ankizy rehetra: Pito, Mimie, Anyah, Alyas, Miranto, Mikolo, Mihà, Diary (Glady), Ariela, Liantsoa, Stan (Razandri), ...
Tena faly koa satria nahazo bisikileta raleigh bleu, efa bisikileta faha-4 io tao anatin'izay 4-taona izay, ny teo aloha sady efa nilaozana no sady simbasimba koa. Ankoatr'izay koa dia nahazo fanomezana maro samihafa, toy ny camion semi-remorque kely, train dinosaures, basy sy fitaovam-piadiana isan-karazany (poignard, menottes, grenades, ...) [soa ihany fa plastique], talkie walkie, puzzle, ...
Dia mbola Mirary Soa hatrany i dada sy neni; hotahian'ny Tompo, hitombo fahaizana sy fahendrena - fa satria ireo no lova tsara indrindra hoy ny Ntaolo ...
Sunday, June 5, 2011
Ilo Andy - 4 Taona ...
Subscribe to:
Post Comments (Atom)
0 comments:
Post a Comment