3 volana indray amin'izao, 5kg270, 61cm ; mitady tsy ho ampy lanja hono hoy i dokotera, oharina amin'ny halavana, satria 500g fotsiny no azo tao anatin'ny 1 volana.
Ny antony angamba satria tsy sahy nanome teteta (biberon) betsaka i dada sy neni, fa nanaraka ny fatrany voalazan'ny toro-lalana (150 cc ho an'ny zaza 2-3 volana), nefa mitomany foana rehefa lany ny teteta fa tsy ampy. Tsy olana hoy ny dokotera fa izay takiana dia tokony
homena ka dia nampiakarina ny fatra, ary amin'izao dia mahalany hatramin'ny 210cc indray mandeha (fatra ho an'ny zaza 5 volana io, oups). Marihana moa fa "Nursie Premium" no tena ady amin'izao, in-5 isan'andro eo no mihinana, ary mbola miampy ny nonon'i neni koa io.
Asa indray izay ho fitomboana afaka iray volana, fa ny loha aloha dia tena mitombo hatreto ;-)
0 comments:
Post a Comment