Sunday, May 9, 2010

Arahaba ririnina razoki ...

. Sunday, May 9, 2010


Vita soa aman-tsara anio 08/05/10 t@ 05:45 teo ny didim-poitran-dRazoki, teny @ Dr Louis teny Sab-Nam izay mampiasa fomba malagasy amin'ny fitaovana moderna (bisturi sy soudure). Teo am-panaovana azy no tena nitomany be, sady mamerimberina: "mamay bôbôssa, mamay bôbôssa, tsy tapa'na bôbôssa!"; fa vao avy tao dia nangina, ary nody naka aina. Tsy nitomany mihitsy nandritra ny andro na somary nangingina aza ny maraina, fa ny hariva dia efa nanomboka miresaka, milalao, mihira.

Araka ny fahalalana sy ny famakiana lahatsoratra isan-karazany dia ireto ny antony tena hanaovana ny didim-poitra (circoncision) na koa famorana, fora, hasoavana hoy isika malagasy:
- ara-tsoratra masina (baiboly): mariky ny fifandraisana amin'Andriamanitra ho an'ny jiosy sy ny taranak'i Abrahama (Gen 17:10-12);
- fomban-drazana malagasy: fanehoana ny fahatanjahana (virilité) ary fanamarihana ny fidirana amin'ny tena maha-"lehilahy";
- ara-pahasalamana: manampy ny vatana amin'ny fivoahan'ny loto, sy fiarovana @ aretina isan-karazany (diabeta, homa-miadana, sida, ...).

Manomboka eto izany vao tena "ho lehilahy" tokoa Razoki, ary mirary ny soa rehetra i dada sy neni - araka ny tso-drano isan-karazany azo: "arahaba ririnina", "aza ela fery", "arahabaina nahazo fahasoavana", "ho lehilahy ialahy leiroa", ...

1 comments:

Unknown said...

zao Neni vao tafatsidika eto ndray!
Na dia efa sitrana soa aman-tsara aza i Andy @zao fotoana zao, de mbola miarahaba i Neni.
Isaorana lehibe Andriamanitra fa herinandro teo ho eo (latsaka aza) dia sitrana ny fery, tsy nisy fahasarotana mihitsy na kely aza. @zao dia efa niverina nianatra indray, ary tsy nanahirana mihitsy ny nanazatra t@zany!!!
Bisous be avy @ Neni

 

followers