Efa am-bolana maromaro no tsy nisy vaovao teto amin'ny blaogy. Tsy ny vaovao no tsy nisy, fa ny mpilaza no tsy naharaka, satria efa tena nitombo be razoki na ara-fo, ara-tsaina, ara-batana, ara-panahy.
_fo:_
Be fitiavana, tia mihantahanta @ dada sy neni. Matetika manao hoe: "ao nge bitsibitsihako i dada e: (mibitsibitsika) je t'aime, bisous".
Fa somary marary fo kely koa anefa, kizitina sy be koretaka koa indraindray ...
_saina:_
Efa ho fito volana mahery izay no nidirana an-tsekoly na dia ny maraina ihany aza no mankany. Kamokamo matetika rehefa mifoha maraina, fa tena mazoto kosa rehefa tena handeha. Efa tena fetsy ary mivoatra be, tia manao sary, mandoko (coloriage), manety (découpage), ...
Ny indro kely dia tara matetika, satria zatra matory maraina koa (manahaka an'i dada) :)
_vatana:_
Na tsy tena ngeza aza (manahaka an'i dada) dia hita fa mitombo tsara hatrany. Ny halavana no tena mampiavaka (io no tsy nanahaka an'i dada :), satria rehefa miaraka @ zaza mitovy taona na zoky aza dia hita hoe lava razoki. Ary azo lazaina ho zaza salama satria mbola tsy nentina t@ dokotera am-bolana maromaro izay.
Ankoatr'izay, anisan'ny tena nanoratana ny fanomanana ny famorana rahampitso vao mangiran-dratsy (@11 alina i dada io manoratra io) - izay anisan'ny dingana lehibe amintsika malagasy firosoana @ tena maha-lehilahy. Razoki efa reraka nivezivezy niantsena niaraka t@ neni ka efa ela no resi-tory, ary mbola tsy mahalala ny ady hiandry ny ampitso.
_fanahy:_
Tena mazoto rehefa hoe handeha hivavaka (manahaka an'i dada koa :), sady mamerina foana hoe: "'ndeha hivavaka 'tsika? tsy mianatra andy?"
Ary efa mivavaka koa rehefa hisakafo: "me'si ze'ziuu, me'si pou'tou, aa-nem!" (Merci Jesus, Merci pour tout, Amen!) - ary matetika sady tononina mitabataba be ...
Santionany amin'ny fitomboako ihany ireny, fa afaka 16 andro tokoa dia ho feno 3 taona. Fanahiniana halefa aloha ilay hasoavana mba ho efa afa-pery sy afaka hifaly tsara @ faha 3 taona ...
0 comments:
Post a Comment