Androany 05 martsa no fantatra fa lahy ialahy. Nanao
echographie tany amin'ny MSI i dada sy neni, ary mama Emma no
nampahafantarin'ny dokotera.
Na dia tsy tena naniry hahalala mialoha aza dia faly satria
hoy dokotera hoe "nandresy ny rainy" :)
Enim-bolana an-kibo eo ho eo ialahy ary salama tsara ialahy
ary hita t@ echo daholo ny taova sy ny rantsana rehetra.
Nihestiketsika be sady nandaka be an'i dokotera t@ natao echo
satria tsy tia an'i neni mitsilany hono, sady noana koa
angamba.
Jereo anie ity ambany ity ny compte-rendu an'ny echo e.
Jereo koa i neni falifaly mitantara an'ialahy @ téléphone :)
-- dada & neni
Monday, March 5, 2007
Vohoka - volana faha-6 ...
Subscribe to:
Post Comments (Atom)
1 comments:
takelaka voasoratra fony razoki mbola tany an-kibo, talohan'ny nisian'ity diary ity, nafindra teto mba ho ao anatin'ny tantara. Ny talohan'ito kosa aloha tsy tantaraina ... :)
Post a Comment